1. Fampidirana:
Ny Salamo « Tehillim » na « Fihirana » no dikany amin’ny teny Hebreo satria Fihirana fiderana an’ Andriamanitra no hita ao.
Amin’ny teny Grika dia « ψαλμοί »[Psalmoi] izay midika hoe: hira hiraina miaraka amin’ny zava-maneno misy tadiny, toy ny lokanga sy ny valiha. Misy zava-maneno hafa toy ny sodina sy maro hafa koa anefa no hiraina miaraka amin’ny Salamo.
2. Ireo karazana Salamo:
Azo sokajiana telo lehibe izy:
2.1. Salamo fiderana: araka izany dia fiderana no ambaran’izy ireny; toy ny 8, 19, … 145-150,
2.2. Salamo vavaka: misy karazany maro izy ity toy ny fitarainana na fiantsoam-pamonjena (22, 30, …), vavaka ataon’olo tokana na maro (5, 6, 7, …), vavaka iombonana (12, 44, …), vavaka fisaorana sy fankasitrahana ny Tompo (9, 10, 30, …)
2.3. Salamo fampianarana na fianarana toy ny 78, 105, …
Ny Salamo 16 dia iray tarika amin’ireo antsoina hoe: vavaka fahatokiana an’ Andriamanitra; toy ny 3, 4, 11, 23, …
Ity Salamo 16 ity koa dia ahitana ny teny hoe « Miktama » izay tsy dia fantatra loatra ny tena dikany fa mety hoe: hiraina moramora na koa hira fanao amin’ny fanaterana fanti-panonerana. Samy ahitana ny teny « Miktama » ireto: 16, sy 56-60.
3. Famakafakana:
Ny Salamo 16 Hira vavaka fahatokiana an’ Andriamanitra.
Azo zaraina efatra (4):
3.1. Teny fanomezan-toky:
16,1: « Arovy aho Andriamanitra ô! » Miantso vonjy satria manoloana zava-tsarotra sy mafy: « fiainan-tsi-hita » (16,10)
Kanefa na inona na inona ny loza mitatao dia nisafidy ny hialoka amin’ny Tompo izy (16,1b), ary anaovany Fanekem-pinoana lehibe izany manao hoe « Tompoko Ianao » (Izy irery no Andriamanitra mahavonjy azy)
Fanontaniana: Inona no fakam-panahy mahazo ny olona, manoloana ny olana sy ny zava-tsarotra sedrainy?
Valiny: mety ho maro ny valiny fa ny singanina dia ny olana no jeren’ny olona fa tsy ny Tompo. Jesoa jerena fa ny teny faminaniana mikasika Azy ilay hoe « Tsy hamela ny Iray Masinao ho latsaka any amin’ny lavaka ianao » (16,10b). Jesoa jerena dia handresy ianao.
3.2. Ireo vokatry ny fanekena (engagement) (16,3-4)
Marobe no mety ho nandikana ny 16,3 indrindra rehefa vakina amin’ny teny vahiny, fa izahay dia nisafidy ny voasoratra amin’ny teny Malagasy amin’ny Baiboly Protestanta.
16,3: ireo « olona masina ambonin’ny tany », dia ireo olona voatokana ho an’ Andriamanitra ary nisafidy ny hiaraka amin’ireto ny mpanao Salamo.
Fa etsy an-daniny kosa ireo mpanompo sampy izay « manova an’ Andriamanitra hatakalony ny hafa » (16,4). Tsy hifandray amin’ireo mihitsy izy (16,4b).
Fanontaniana:Inona avy ireo antony mahatonga ny olona efa nisafidy ny hanompo an’i Jesoa kanefa dia nivadika Taminy?
Valiny:Ankoatran’ny valiny maro dia maro, dia azo ambara koa fa « tsy mbola babon’i Jesoa ny fo » dia nivadi-panekena Taminy.
3.3. Ny fisehon’ny fahatokiana an’ Andriamanitra (16,5-8):
Voamarina eto ny 16,2b hoe « tsy misy soa azo ananako azo oharina Aminao ». Jehovah no anjara lova (tahaka ny levita izay tsy manana tany ho lova teo amin’ny fokom-pirenena, fa Jehovah no lovany)
Ny lova omen’ny Tompo ny olony eto amin’ny 16,5-6 dia:
– maharitra,
– voarefy (ampy sy sahaza an’izay omeny azy),
– mahafinaritra (tsara kalitao)
Tsy misy diso na very anjara ny olony masina. Manomboka amin’izao fiainana izao, noho izany dia fadio ireto:
– ny mialona na mitsiriritra ny anjaran’ny hafa,
– ny manome tsiny ny Tompo amin’ny anjaranao, …
Ny hoe « ankavanana » dia toerana voatokana ho an’ny mpiambina mahatoky sady mpanolo-tsaina.
Ny mahatonga ny olona tsy hahay hionona amin’ny anjarany dia ny tsy fahaizany mametraka ny Tompo ho eo aloha mba hitari-dàlana azy sy eo ankavanana mba hiaro sy hampijoro azy.
Ity mpanao Salamo ity dia sambatra sy feno fiadanana satria manana ny Tenin’ Andriamanitra izay ifandraisany amin’ny Tompo mandrakariva (16,7).
Fanontaniana:Inona avy no voka-dratsin’ny tsy fahaizana mametraka ny Tompo eo amin’ny toerany?
3.4. Ny fahafana sy ireo tombontsoa azon’ny olona mahatoky ny Tompo.
Dia faka mitanisa fotsiny ny 16, 9-11 isika.
Fanontaniana:Mety hisy ve olona mba manompo ny Tompo ihany kanefa dia « vato kiboribory » tsy manana na inona na inona mihitsy amin’izao fiainana izao?
Dia ahoana koa ny hevitrao amin’ity: Mpito. 7,15?
Vavaka:
Tompo ô! Ampitomboy ny fahatokiako Anao. Amen.
An’ Andriamanitra irery ny voninahitra. Amen.