Amin’ny anaran’i Jesoa no hiarahabanay anareo ry havana.
Toy izao no asan’ny Fanahy Masina ao anatintsika:
« Ary satria zanaka ianareo dia nirahin’ Andriamanitra ho ato am-pontsika ny Fanahin’ny Zanany, miantso hoe: Aba, Ray ô. Ka dia tsy mpanompo intsony ianao, fa zanaka; ary raha zanaka, dia mpandova koa noho ny ataon’ Andriamanitra » (Gal 4,6-7)
Mifalia raha ao am-ponao ny Fanahy Masina, fa tena zanak’ Andriamanitra ianao.
Samia tahian’ Andriamanitra. Amen.
Ny Mpitandrina