Galatiana 5:16-17

Finaritra.
Misy zavatra roa mifanohitra ireto, ka mila mitandrina tsara isika:
« Fa hoy izaho: Mandehana araka ny Fanahy, dia tsy hahatanteraka ny filan’ny nofo ianareo. Fa ny nofo manohitra ny Fanahy, ary ny Fanahy manohitra ny nofo; ary mifanohitra izy roroa, mba tsy hahazoanareo manao izay zavatra tianareo » (Gal 5,16-17)
Mivavaha isan’andro mba handresy ny Fanahy ka ho resy ny asan’ny nofo. Amen
Ny Mpitandrina