Hebreo 13:9

Miarahaba anareo amin’ny anaran’i Jesoa.
Hoy ny Tompo:
« Aza mety havilin’ny fampianarana maro hafa ianareo. Fa tsara raha ampiorenina amin’ny fahasoavana ny fo, fa tsy amin’ny hanina, izay tsy mahasoa ny mahavatra azy » (Heb 13,9)
Misy zavatra ivelambelany toy ny sakafo asaina fadina, ao ny madio ary tsy madio no mahamaika ny olona. Rehefa dinihana anefa dia tsy mitondra mankany amin’ny famonjena akory.
Tsarovy ary fa tsy ny fanao ivelany no ankasitrahan’ Andriamanitra fa ny fo.
Mivavaha isika mba hahay hizaha toetra ny fanahy ka tsy ho voafitaky ny fampianarana sandoka izay tsy mitondra aim-panahy sy tsy mahavonjy.
Fiadanana.
Ny Mpitandrina