Hebreo 5:7-9

Faly miarahaba anareo amin’ny anaran’i Jesoa.
Herinandro nitondran’i Jesoa ny mafy indrindra ny Herinandro Masina, mba hahatanteraka ny famonjena antsika:
« Tamin’ny andron’ny nofony, raha nanao fivavahana sy fangatahana nomban’ny fitarainana mafy sy ny ranomaso be tamin’Izay nahavonjy Azy tamin’ny fahafatesana Izy, sady voahaino noho ny fahatahorany an’ Andriamanitra, dia nianatra fanarahana tamin’izay fahoriana nentiny Izy, na dia Zanaka aza; ary rehefa natao tanteraka Izy, dia tonga loharanon’ny famonjena mandrakizay ho an’izay rehetra manaraka Azy » (Heb 5,7-9)
Amen.
Ny Mpitandrina