Amin’ny anaran’i Jesoa no hiarahabana anareo amin’izao fiandohan’ny herinandro izao.
Hoy ny Tompo:
« Tsy naniraka an’ ireo mpaminany ireo Aho, kanefa nidodododo ihany izy; tsy niteny taminy Aho, kanefa naminany ihany izy.
Fa raha isan’ny mpivevitra teo amiko izy, dia ho nitory ny teniko tamin’ny oloko izy ka namerina azy hiala tamin’ny làlany ratsy sy tamin’ny faharatsian’ny nataony » (Jer 23,21-22)
Izahao toetra ny fanahy miasa ao anatin’ireny milaza azy fa mpitory ny Filazantsara ireny, na dia mafana fo tokoa aza izy.
Tahin’nyTompo.
Ny Mpitandrina