Manamafy ny fisaorana ny tsirairay tsy avahana, na mpikambana, na fianakaviana nanotrona nanao izay hahatontosa ny ‘soirée bûche’ Kaloiko ho Anao ny 24 Desambra 2023, ho Voninahitry ny TOMPO irery ihany.
Ianareo mpikambana any ivelany koa isaorana satria inoanay fa nahatsiaro.
Vita soa ny fotoana. Voninahitra ho an’ny AVO INDRINDRA RAY ZANAKA FANAHY, fiadanana ho an’ny ankasitrahany.
Niara-paly isika ary isaorana ny Mpitandrina 4 mianakavy, ny Filoha Laika telo mianaka nanatrika sy niara nanafàna. Mino isika fa isan’ny ankasitrahany fa nahatanteraka teo ambany FAHASOAVANY.
Isaorantsika ny Filoha Laika mivady izay nanohana ary tahian’ANDRIAMANITRA ireo ny amin’ izany.
Isaorana ry Tonton Jaona mianakavy nanome ny trano nampiasaina. Tahian’ANDRIAMANITRA izy ireo ny amin’ izany.
Misaotra antsika rehetra, samia tahian’ny TOMPO.
Dera ho an’i KIRISITY JESOA irery ihany ny amin’ny zavatra rehetra.
