Faly miarahaba anareo amin’ny anaran’i Jesoa.
Tsy takatry ny saintsika olombelona ny fifidianan’ Andriamanitra.
Rahaba izay vehivavy janga no nofidiny mba hiara-miasa amin’ny mpanompony mba handresen’ny zanak’Israely ka nahatafidirany tao Jeriko. Anisan’ny razamben’i Davida sy Jesoa koa izy (Mat 1,5)
Mifidy izay tiany hiara-miasa Aminy ny Tompo mba hamonjeny olona maro. Vonona hiara-miasa amin’ny Tompo ve ianao.
« Fa Rahaba janga sy ny ankohonan’ny rainy sy ny havany rehetra mbamin’izay nety ho azy dia novelomin’i Josoa, ary mitoetra ao amin’ny Israely mandraka androany ravehivavy, satria nanafina ny iraka izay efa nirahin’i Josoa hisafo an’i Jeriko izy » (Jos 6,25)
Tahin’ny Tompo ianareo ry havana. Amen.
Ny Mpitandrina