Miarahaba ny mpino rehetra amin’ny anaran’i Jesoa.
« Miaraha mandeha amin’ny Tompo Andriamanitrao »
Hoy Izy:
« Eny, maro ny jetilisa no hiainga ka hanao hoe: Andeha isika hiakatra any an-tendrombohitr’i Jehovah, ho any an-tranon’i Andriamanitr’i Jakoba, mba hampianarany antsika ny amin’ny làlany, ka handehanantsika amin’ny atorony; fa avy any Ziona no hivoahan’ny lalàna, ary avy any Jerosalema ny tenin’i Jehovah » (Mika 4,2).
Na dia fialan-tsasatra aza izao dia mazotoa miangona fa fiarahana mandeha amin’ny Tompo izany. Amen.
Ny Mpitandrina