Mpitoriteny 6:3-4

Faly miarahaba anareo amin’izao Zoma mahafinaritra izao.
Na dia mahazo ny haren’ny tany aza, kanefa mahantra ara-panahy sy ratsy fiafara, dia izany no haizina eo amin’ny fiainan’ny olona, hoy Solomona:
« Na dia misy miteraka zaza zato aza sady tratrantitra, ka efa maro ny andro niainany, nefa tsy mba voky soa ny fanahiny, sady tsy mba alevina akory ny fatiny, dia hoy izaho: Ny tsy tonga volana dia tsara kokoa noho izy. Fa toa zava-poana no nihavian’io, ary mandeha ao amin’ny maizina izy, sady ho voasaron’ny aizina ny anarany » (Mpitoriteny 6,3-4)
Mampieritreritra.
Ny Mpitandrina