
Faly miarahaba anareo amin’ny anaran’I Jesoa fa tonga soa eto amin’ny tranokalan’ny FKMA.
Fa tena faly koa izahay raha mipetraka eto Abidjan sy ny manodidina ianao raha toa ka afaka miaraka mivavaka aminay isaky ny Alahady eny am-piangonana eny amin’ny Plateau.
Amin’izao aloha dia isaky ny Alahady hariva amin’ny efatra ora tolakandro no manomboka ny fanompoam-pivavahana. Hampiataina ao amin’ny Raharaham-piangonana ihany raha toa ka misy ny fiovana.
Miavaka ity taom-piangonana 2025-2026 ity satria fotoana Fankalazana an’ Andriamanitra noho ny faha 45 taonan’ny Fiangonana. Enga anie ny Teny Faneva « Fa Kristy no velona ato anatiko »
(Gal 2,20) no hanapaka ny fiainatsika rehetra, hatramin’izao ka ho mandrakizay. Amen.
An’ Andriamanitra irery ny voninahitra. Amen.
Ny Mpitandrina