186 taona androany no nandefonana an’i Rafaravavy Rasalama

Miarahaba anareo amin’ny anaran’i Jesoa.
14/08/1837- 14/08/2023: tsaroana androany ny nandefonana an’i Rafaravavy Rasalama vehivavy 39 taona, teny Ambohipotsy.
Nijoro tamin’ny finoana an’i Jesoa izy ary tsy nety nanondro ny anaran’ireo kristiana mpivavaka niaraka taminy.
Nipetraka tao amin-dRamiandravola tao Andohalokely izy. Io lehilahy io dia havany ihany fa saingy nijoro kosa, fa rehefa tsy tian’i Ranavalomanjaka sy Rainiharo ny fivavahana dia harahiny sy ankatoaviny tokoa.
Dia nogadraina i Rasalama tao izy.
Toy izao ny iray amin’ny fijoroany ho vavolombelon’nyTompo:
« Tamin’ny Alahady, 13 Août 1837, dia nasain-dRamiandravola nanjaitra Rasalama. Nandà izy, fa andron’ny Tompo ny andro. Tezitra Ramiandravola ka nanompa, nanozona, niteny vetaveta erý. » (RABARY, Ny Maritiora Malagasy, Imprimerie Luthérienne, 1957. tak. 82)
Ny harivan’io Alahady io ihany dia novahana ny gadrany tao an-tranon’i Ramiandravola ary nentina teny amin’ny trano fiangonana teny Ambatonakanga izay efa lasa tranomaizina izy.
Ny Alatsinainy 14 Août 1837 izy no nolefonina teny Ambohipotsy. 186 taona androany izany.
Lesona tsara niainand-dRafaravavy Rasalama dia ny fanajany ny andro Alahady andron’ny Tompo.
Ahoana isika taranaka ankehitriny amin’izany?
Mahereza.
Ny Mpitandrina