Amin’ny anaran’i Jesoa Lohan’ny Fiangonana no entina indray miarahaba anareo.
Jereo ange ity fitiavan’ny Tompo antsika ity eh, satria Andriamanitra ao amin’ny fahafenoany mihitsy no ao amintsika; dia ny Fanahin’ Andriamanitra sy ny Fanahin’i Kristy. Hoy ny Tompo:
« Fa ianareo tsy ao amin’ny nofo, fa ao amin’ny Fanahy, raha ny Fanahin’ Andriamanitra no mitoetra ao anatinareo. Fa raha misy kosa tsy manana ny Fanahin’i Kristy, dia tsy azy izy » (Rom 8,9)
Saino izany anio.
Ny Mpitandrina