Miarahaba anareo amin’ny anaran’i Jesoa.
Amin’izao zoma mahafinaritra izao dia handeha hiaraka hidera ny Tompo isika noho ny fiarovany, ka hanao hoe:
« Fa harambatoko sy batery fiarovana ho ahy Ianao; ary noho ny anaranao no hitondranao sy hitarihanao ahy. Hanafaka ahy amin’ny fandrika harato izay nafeniny hamandrihana ahy Ianao; fa Ianao no fiarovana mafy ho ahy » (Sal 31,3-4)
Amen.
Ny Mpitandrina