Toriteny 08/10/2023 : 1Korintiana 7:1-16

Miarahaba ny mpianakavin’ny finoana amin’ny anaran’i Jesoa.
« Aoreno ao amin’ny Tompo ny fianakaviana », ka ny hakantsika an’izany ho toriteny rahampitso 08/10/2023 dia ny 1Kor 7,1-16.
Samia tahin’ Andriamanitra. Amen.
Ny Mpitandrina

Ny amin’ny fanambadiana.

1Ary ny amin’ireo zavatra nosoratanareo, dia tsara amin’ny lehilahy raha tsy mikasi-behivavy akory. 2Anefa noho ny fijangajangana dia aoka ny lehilahy rehetra samy hanana ny vadiny avy, ary aoka koa ny vehivavy rehetra samy hanana ny vadiny avy. 3Aoka ny lahy hanao izay mety hatao amin’ny vavy; ary mba toy izany koa ny vavy amin’ny lahy. 4Ny vavy tsy manam-pahefana amin’ny tenany, fa ny lahy; ary mba toy izany koa ny lahy tsy manam-pahefana amin’ny tenany, fa ny vavy. 5Aza misara-pandriana hianareo, raha tsy amin’izay andro sasany ifanekenareo ho andro hivavahana, nefa mbola hiraisanareo fandriana indray, mba tsy hakan’i Satana fanahy anareo noho ny tsi-faharetanareo. 6Fandeferana anefa no anaovako izany, fa tsy mandidy aho. 7Fa tiako ho tahaka ahy ny olona rehetra; kanefa samy manana izay fanomezam-pahasoavana nomen’Andriamanitra azy avy, ka ny anankiray toy izao, ary ny anankiray toy izao kosa. 8Fa hoy izaho amin’ny tsy manam-bady sy ny mpitondratena kosa: Tsara aminy raha mitoetra tahaka ahy izy. 9Nefa raha tsy maharitra izy, dia aoka hanam-bady ihany; fa tsara ny manam-bady noho ny ho maimay. 10Ary ny manam-bady dia didiako, nefa tsy izaho, fa ny Tompo: Aoka tsy hiala amin’ny lahy ny vavy 11(nefa raha misy efa niala, dia aoka hitoetra tsy manam-bady, na aoka hody amin’ny lahy); ary ny lahy aoka tsy hiala amin’ny vavy. 12Fa amin’ny sisa, dia hoy izaho, fa tsy ny Tompo: Raha misy rahalahy manam-bady tsy mino, ary mety mitoetra aminy ihany ny vavy, dia aoka tsy hialany izy. 13Ary raha misy vehivavy manam-bady tsy mino, ka mety mitoetra aminy ihany ny lahy, dia aoka tsy hialany izy. 14Fa ny lahy tsy mino dia efa masina ao amin’ny vavy ary ny vavy tsy mino dia efa masina ao amin’ny rahalahy; raha tsy izany kosa, dia tsy madio ny zanakareo; fa raha izany, dia masina izy. 15Fa raha ny tsy mino no miala, aoka hiala izy. Na rahalahy na anabavy dia tsy voafehy amin’izany; fa Andriamanitra efa niantso antsika amin’ny fihavanana. 16Fa ahoana moa no ahafantaranao, ravehivavy, na hovonjenao ny vadinao, na tsia? Ary ahoana no ahafantaranao, ralehilahy, na hovonjenao ny vadinao, na tsia?

1Korintiana 7,1-16