Toriteny 11/02/2024

Miarahaba ny mpino rehetra amin’ny anaran’i Jesoa.
Alahadin’ny Baiboly rahampitso 11/02/2024. Ny Mat 5,17-20 no hakana ny toriteny, ka ao anatin’izany ny tenin’i Jesoa manao hoe:
« Ary amin’izany na zovy na zovy no mamaha ny anankiray amin’ireo didy madinika indrindra ireo ka mampianatra ny olona toy izany, dia atao hoe kely indrindra amin’ny fanjakan’ny lanitra izy. Fa na zovy na zovy no mankatò sy mampianatra ireo, dia izy no atao hoe lehibe amin’ny fanjakan’ny lanitra » (Mat 5,19)
Samia tahin’ Andriamanitra. Amen.
Ny Mpitandrina