Na dia ao anatin’ny fialan-tsasatra aza isika dia misy foana ny fanompoam-pivavahana. Noho izany dia misokatra hatrany ny Fiangonana isaky ny Alahady maraina amin’ny 9 ora eny amin’ny Plateau. Manatontosa ny anjarany ireo tompon’anjara rehetra.
Miato kely ny hetsika rehetra fanaon’ny sampana sy ny asa samihafa ao anatin’izao fotoam-pialan-tsasatra izao.
Mitohy hatrany anefa ny fandraisana ny Anjarako isaky ny Alahady.
Manonona ny fiadanan’i Jesoa mba ho aminareo mandrakariva. Amen.