Vaovaom-piangonana 06/10/2024

SAMPANA

Sekoly Alahady:
Mitohy ny fianarana aorian’ny fanompoam-pivavahana.
Manomboka izao dia hisy ny fiarahan’ny ray aman-dreny amin’ny Mpitandrina ao anatin’ny fotoanan’ny Sekoly Alahady.

Sampana Vehivavy:
Fivoahana hiarahana amin’ny vady aman-janaka ny Sabotsy 12/10/2024,
Toerana: Parc Botanique de Bingerville
Amin’ny 9 ora -4 ora hariva.
Ireto avy no hoentin’ny isa-pianakaviana:

  • couverts
  • nappe de table
  • rano sy jus sy/na sucreries
  • ny sisa rehetra dia iantohan’ny Sampana
    Hasaina ho tonga amin’io koa izay rehetra te hiditra hanatevin-daharana ny Sampana.
    Izay rehetra manana fanontaniana dia afaka miantso ny biraon’ny Sampana.

Skoto Tranainy sy Sakaiza:
Mivory ny birao ny Alahady 13/10/2024 amin’ny 5 ora hariva, eny an-tokantranon’i Tatie Clémence mivady

Antoko Mpihira:
Famerenan-kira ny Alahady 13/10/2024 manomboka @ 5 ora hariva, ao am-piangonana.

ASA

Cellule de prière eny am-piangonana isaky ny Alarobia amin’ny 3- 4 ora,

Étude biblique eny am-piangonana isaky ny zoma amin’ny 7- 8 ora hariva.
« Prédestination » no hodinihantsika amin’ny zoma izao 11/10/2024
Tongava maro

Tsy misy ny katekomena ny sabotsy izao.

An’ Andriamanitra irery ny voninahitra. Amen.