Vaovaom-piangonana 10/11/2024

SAMPANA

SEKOLY ALAHADY

  • Mitohy ny fianarana SA aorian’ny fanompoam-pivavahana
  • fianarana hazo krismasy isaky ny sabotsy amin’ny 2h30 – 4h30 aty am-piangonana,

SAMPANA VEHIVAVY

Vita soa aman-tsara ny AG fanao isa-taona ny sabotsy 09/11/2024. Isaorana ny tonga rehetra ary isaorana koa ny tokantrano nandray,

SKOTO TRANAINY SY SAKAIZA:

Ho fanomanana ny Alahadin’ny STS ny 17/11/2024, dia hasaina ny mpikambana rehetra mba ho tonga eny an-tokantranon’i Hary sy Clémence, ny sabotsy 16/11/2024 amin’ny 5h hariva.
Amin’ny Alahady 17/11/2024 dia ny STS no tompon’anjara rehetra amin’ny fanompoam-pivavahana,

ANTOKOM-PIHIRA:

Hanao hetsika ara-panatanjahan-tena izy ireo ny zoma 15/11/2024, amin’ny 7h30 – 9h30, eny amin’ny Université de Cocody.
Ny fidirana dia eo amin’ny Bd de France, akaikin’ny Station Shell, en face du Commissariat de Police.
Manasa ny Fiangonana manontolo mba ho tonga maro,

SAMIHAFA

Cellule de prière: Alarobia izao amin’ny 3h – 4h eny an-tokantranon’ny Mpitandrina (Cocody),

Noho ny maha andro tsy fiasana ny zoma izao dia tsy misy ny Étude biblique,

Katekomena eny am-piangonana isaky ny sabotsy 2h-4h

Ray aman-drenin’ny mpianatra Sekoly Alahady:
Aorian’ny fanompoam-pivavahana Alahady maraina dia hodinihantsika ny hoe:
« Mankaiza marina ny maty », satria vao avy nandalo ny 1er novembre isika.

An’ Andriamanitra irery ny voninahitra. Amen.