Vaovaom-piangonana 13/10/2024

SAMPANA

Sekoly Alahady:
Mianatra izy ireo aorian’ny fanompoam-pivavahana,

Ho an’ny ray aman-dreny miaraka amin’ny Mpitandrina dia Étude Biblique: Eze 18,23-32 (fanontaniana: Inona no ody faty?)

Sampana vehivavy:
Vita soa aman-tsara omaly sabotsy 11/10/2024 ny fitsangatsangana tany amin’ny Parc botaniques de Bingerville. Isaorana ny Tompo ary isaorana koa ny ankohonana tonga,

Antokom-pihira:
Fihofanana miaraka amin’ny Mpitandrina ny sabotsy 19/10/2024 amin’ny 5 ora hariva, eny an-tokantranon’i Tonton Rindra mianakavy. Tongava maro.

Skoto Tranainy sy Sakaiza:
Tontosa ny fivorian’ny birao ny Alahady lasa teo.

ASA

Cellule de prière isaky ny Alarobia amin’ny 3-4 ora eny am-piangonana,

Étude biblique isaky ny zoma amin’ny 7-8 ora eny am-piangonana.
Ny Eze 18,23-32 no hodinihana (fanontaniana: Inona no ody faty?). Tongava maro.

Katekomena:
Mianatra ny sabotsy 19/10/2024 amin’ny 2-4 ora eny am-piangonana.

An’ Andriamanitra irery ny voninahitra. Amen.