Vaovaom-piangonana Alahady 21 Mey 2023

I. SAMPANA SY ASA:

1. Sekoly Alahady:
Manao fanadinana ny SA aorian’izao fanompoam-pivavahana izao, noho izany dia tsy misy ny asa sy fampaherezana.

2. Skoto Tranainy sy Sakaiza:
Fampahatsiahivana ny lasy hatao ny 29 sy Mey izao:
Fiaingana ny Alahady 28 Mey amin’ny 1 ora atoandro eto amin’ny Plateau. Ny fodiana dia ny Alatsinainy 29 Mey amin’ny 4 ora hariva.
Fandraisana anjara dia 10 000F isa-pianakaviana.
Hasaina ny mpikambana rehetra mba hivory aorian’izao fanompoam-pivavahana izao.

3. Antokom-pihira:
Manentana ny Fiangonana mba hividy ny mofomamy fetin’ny reny 15 000F ka misy hanitra karazany roa dia ny chocolat na vanille. Eny amin’ny mpikambana ny tapakila fandraisana anjara.

4. Sampana Vehivavy:
Antsoina ny mpikambana rehetra mba hijanona kely aorianan’izao fanompoam-pivavahana maraina izao, fa misy zavatra hodinihana.

5. Diakona:
Nahavita ny fivoriana fanaony isam-bolana omaly hariva.
Ireo diakona miasa:
Andriamatoa sy Ramatoa isany:
Rado RAKOTOSON, Manovosoa RAKOTONIRAINY, Lolona RATOARIJAONA, Nathalie RAKOTOSON, Laetitia RANDRIANAIVO.

II. SAMIHAFA:

1. Mitohy ny fianarana katekomena aorian’ny fanompoam-pivavahana,

2. Mitohy ny fianaran’ny mpiomana mpiandry ny Alatsinainy sy Talata hariva eto am-piangonana,

3. Mitohy ny Cellule de prière ny Alarobia tolakandro

4. Ny Fiarahana Mandinika Soratra Masina amin’ny zoma 26 Mey 2023 dia hatao eny amin’ny tokantranon’i Tantely sy Hanta amin’ny 7 ora -8 ora,


An’ Andriamanitra irery ny voninahitra. Amen.