1-Sampana sy Asa:
Sekoly Alahady: mianatra izy ireo aorian’ny fanompoam-pivavahana maraina izao,
Sampana Tanora Kristiana: mivory aorian’izao fanompoam-pivavahana izao,
Sampana Vehivavy: nahatontosa ny fivoriana fanao isam-bolana ny Sabotsy 14/10/2023,
Diakona: Ny fivoriana fanao isam-bolana dia hatao eny an-tokantranon’ny Mpitandrina ny Sabotsy 21/10/2023 amin’ny 5 ora hariva,
Mpampianatra Sekoly Alahady: fihofanana miaraka amin’ny Mpitandrina ny Sabotsy 21/10/2023 amin’ny 2h30-4h30 any am-piangonana,
2-Alarobia 1 Novambra : Fisindàn’ny Fiangonana
Mampiomana antsika mpianakavin’ny finoana rehetra fa hisy ny fisindàn’ny Fiangonana ny Alarobia 1 Novambra 2023 ho avy izao. Homena eto amin’ny manaraka ny dinidinika rehetra.
An’ Andriamanitra irery ny voninahitra. Amen.