1.Sampana sy asa
- Sekoly Alahady: mitohy ny fianarana aorian’ny fanompoam-pivavahana izao,
Mitohy ny fianarana hazo krismasy isaky ny sabotsy amin’ny 2h30-4h30 eny an-tokantranon’ny Filoha. - Mitohy ny Fianaran-kira ny sabotsy izao ho an’ny Antokom-pihira,
2.Samihafa
- Mitohy ny Cellule de prière ny Alarobia amin’ny 3h-4h
tolakandro, - Misy hatrany ny fiaraha-mandinika Soaratra Masina isaky zoma hariva 7h-8h eny am-piangonana,
- Ny fianarana katekomana dia hatao any an-tokantranon’ny Filohan’ny Sekoly Alahady amin’ny 1h-2h30,
- Mitohy hatrany ny fanomezana hatolotsika ny Programme Samuel,
Fanentanana
Ny Alahady 3 Desambra 2023 no Alahadin’ny Mpitandrina: hivavahana sy hanohanana azy ireo amin’ny asa fanompoana.
Miditra amin’ny 9 ora ny fanompoam-pivavahana.
Manao fitafiana gasigasy isika.
Faranana amin’ny fiaraha-misakafo ny fotoana. Ny isa-pianakaviana dia samy mitondra vary sy couverts ary zava-pisotro, fa ny Fiangonana no hanome ny laoka.
Tongava maro.
An’ Andriamanitra irery ny voninahitra. Amen