1. SAMPANA SY ASA:
Sekoly Alahady:
Vita soa aman-tsara ny fivoriana ara-potoana fanaon’ny Mpampianatra SA tamin’ny Sabotsy 03 Jona 2023.
Mitohy ny fianaran-kira ho fanomanana ny fety, aorian’izao fanompoam-pivavahana maraina izao.
Sampana Antokom-pihira:
Aorian’izao fanompoana maraina izao no handraisana ny Mofomamy Fetin’ny reny. Mbola misy ny tapakila amin’ny vidiny 15 000F ; ka misafidy na chocolat na vanille.
Sampana Vehivavy:
Manasa ny Vehivavy rehetra mba ho tonga amin’ny fivoriana ara-potoana ny Sabotsy 10 Jona 2023 amin’ny 3 h 30, eny amin’ny tokantranon’i Tatie Clémence Andriatavy.
Sampana Tanora Kristiana:
Antsoina ny mpikambana rehetra sy izay maniry hiditra ho mpikambana, mba ho tonga hivory aty am-piangonana ny Alahady 11 Jona 2023 amin’ny 4 ora tolakandro.
Diakona:
Ireto no miasa amin’ity volana ity:
Andriamatoa sy Ramatoa isany:
Rivo Mahaleo RAJAONARIFETRA, Rindra Blaise RANDRIANARY, Mahery RATOARIJAONA, Patricia RAJAONARIFETRA, Nivo RANDRIANARY.
2.SAMIHAFA:
– Mitohy ny fianarana katekomena aorian’izao fanompoana maraina izao,
– Mitohy ny fiomanana ho mpiandry ny Alatsinainy sy Talata hariva eto am-piangonana,
– Mitohy ny Vondrona mpiara-mivavaka ny Alarobia amin’ny 3 – 4 ora,
– Mitohy ny Fiarahana mandinika Soratra Masina ny Zoma izao amin’ny 7-8 ora hariva eto am-piangonana.
3.FANDAHARAM-POTOANA VOLANA JONA:
04/06: Vavaka ho an’ny Malagasy sy i Madagasikara,
11/06: Alahadin’ny Antokom-pihira,
18/06: Fetin’ny fianakaviana,
25/06: Fiarahana mivavaka iraisam-pinoana.
Manentana ny rehetra mba hisoratra anarana ka handray anjara amin’ny Litorjia telo volana fahatelo
An’ Andriamanitra irery ny voninahitra. Amen.