Vaovaom-Piangonana Alahady 14 Mey 2023

1. SAMPANA SY ASA

Sekoly Alahady : Mitohy ny fianarana Sekoly Alahady aorian’ny fanompoam-pivavahana.
Fanadinana Sekoly Alahady ny Alahady 21 Mey 2023. Entanina ny Ray aman-dreny mba samy hitondra ny zanany.

STS : Hanao lasy ny Alahady 28 sy Alatsinainy 29 Mey 2023.
Fiaingana: amin’ny 1 ora atoandro eto am-piangonana eto amin’ny Plateau ny Alahady,
Fiverenana: Alatsinainy amin’ny 4 ora tolakandro.
Toerana: Hôtel Laguna Beach ao ambadiky ny aéroport
Fandraisana anjara: 10 000F isa-pianakaviana.
Izay mila fanazavana fanampiny dia afaka miantso an’i Filoha Hans sy ireo birao namany.

Sampana Vehivavy : Ny Sampana Vehivavy dia nahavita ny fivoriana fanao isam-bolana omaly Sabotsy.

Antokom-pihira: Hanao famerenan-kira ao am-piangonana androany hariva amin’ny 5 ora.
Hanao mofomamy amin’ny fetin’ny reny.
Raisina ny Alahady 4 Jona ny mofomamy.
Vidiny: 15 000F, misy hanitra roa isafidianana dia ny chocolat na vanille.
Ireto no hividianana ny tapakila:
Fetra Émilie RAKOTOMAHEFA
Ando Ny Kanto RAKOTONIAINA
Mamy RIJASON RAZAFIMAHATRATRA

STK: Ho fanomanana ny fananganana ny Sampana dia hantsoina ireo tanora rehetra ka tsy Sekoly Alahady, hivory aorian’ny fanompoam-pivavahana izao maraina izao.

DIAKONA: Hanao ny fivoriana ara-potoana eny amin’ny tokantranon’i Rivo sy Patricia eny M’badon ny Sabotsy 20 Mey 2023.

2.FANDAHARANA ny Alakamisy 18 Mey ANDRO NIAKARANA (Ascension):
Mitarika sy mitory : ny Mpitandrina
Mivavaka: Ando Ny Kanto RAKOTONIAINA
Mamaky Teny: Nina RANDRIANASY
Mitendry: Dera RATOARIJAONA
Manomboka amin’ny 9 ora ny fotoana ary misy ny Fandraisana ny Fanasan’ny Tompo.

3.FANDAHARANA MANDRITRA NY HERINANDRO:
– Fianarana Mpiomana Mpiandry dia ny Alatsinainy sy Talata hariva eto am-piangonana
– Vondrom-bavaka ny Alarobia amin’ny 3 ora
– Fiaraha-mandinika Soaratra Masina ny Zoma amin’ny 7 ora.

Mirary soa an’ireo nankalaza ny tsigenri-taona nahaterahany tamin’iny herinandro lasa iny.


Manonona ny fiadanan’i Jesoa mba ho aminareo mandrakariva. Amen.