Volana Aogositra : « Mijoroa amin’ny finoana »

Ry havana,
Miarahaba anareo amin’ny anaran’i Jesoa, fa nomeny volana vaovao indray isika.
« Mijoroa amin’ny finoana » no lohahevitra vaovao atolotry ny Tompo. Hoy Izy:
« Fa hany ataoko: aoka ny fitondrantenanareo ho miendrika ny filazantsaran’i Kristy, mba handrenesako ny toetrareo (na ho tonga aho ka hahita anareo, na tsy ho tonga), fa maharitra amin’ny fanahy iray ianareo ka miray fo hiaramiezaka hampandroso ny FINOANA ny filazantsara » (Fil 1,27)
Asehoy amin’ny fitondrantena mendrika ny filazantsara ny fijoroana amin’ny finoana. Amen.
Ny Mpitandrina