1Korintiana 3:10

Finaritra.
Amin’ny lafiny maha olona rehetra, dia nomena andraikitra isika hanao izay mety rehetra amin’ny fiainana isan’andro.
Hoy ny Apostoly Paoly amin’izany:
« Araka ny fahasoavan’ Andriamanitra nomena ahy, tahaka ny fanaon’ny mpità-marika mahay no nanaovako ny fanorenana, ary ny hafa manorina eo amboniny; nefa aoka ny olona rehetra hitandrina izay arafiny eo amboniny » (1Kor 3,10)
Miorina ao amin’ny Tompo isika koa jereo tsara ireo rehetra hambolen’ny hafa sy hataontsika eo amin’ny fiainana isan’andro, sao manimba ny fiainam-panahy.
Mahereza.
Ny Mpitandrina