Ny Fiangonana Kristiana Malagasy eto Abidjan (FKMA) antsoina koa hoe Communauté Chrétienne Malgache d’Abidjan, dia iray amin’ireo Communautés eto amin’ny Eglise Méthodiste de Côte d’Ivoire , Paroisse Les Beatitudes, ary miara-miasa amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara (FJKM).
NY FINOANY
Ny FKMA dia mino sy manaiky :Ny maha Andriamanitra ny Ray Mpahary izao rehetra izao,
Ny maha Andriamanitra Tokana ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina,
Ny maha Andriamanitra tonga nofo an’i Jesoa Kristy Tompo sy Mpamonjy izao tontolo izao,
Ny maha Andriamanitra ny Fanahy Masina,
Ny Tenin’ Andriamanitra araka izay isehoany ao amin’ny Baiboly sy izay hazavaina eo ambany fitarihan’ny Fanahy Masina no raisiny ho loharano sy fitsipiky ny finoany sy ny fiainany,
Ny Sakramenta roa (2) : ny Batisa sy ny Fanasan’ny Tompo.
Ny FANAMBARAM-PINOANA TANAN’NY FKMA :
Ny Fanekem-pinoana Apostolika,
Ny Fanekem-pinoana Nikea-Kostantinôpla,
Ireo Fanekem-pinoana araka ny Soratra Masina,
Ny Fanekem-pinoan’ireo Vavolombelona ao amin’ny Soratra Masina,
NY ZAVA-KENDRENY
Ny handrenesan’ny Malagasy rehetra monina sy miasa ary mandalo eto Côte d’Ivoire ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy sy hiorenany amin’ny finoana kristiana,
Hijoro ho vavolombelon’i Jesoa Kristy any amin’ny toerana sy ny sehatra rehetra misy azy, eo anivon’ny fiarahamonina.
NY FOMBANY
Ny fombany dia mifanaraka amin’izay fanaon’ny Fiangonana manaraka ny fanitsiam-pivavahana notarihan’i Martin Luther sy Jean Calvin (Refôrme) ary hita amin’ny Litorjia amin’ny fanompoam-pivavahana rehetra ataony izany.
NY ADIDINY
Manambara fa Jesoa no Tompo Tokana Mpamonjy izao tontolo izao,
Ny manompo sy midera ary manome voninahitra an’Andriamanitra amin’ny teny sy ny asa ary amin’ny fiainana rehetra,
Ny mitory ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy Tompo amin’ny olona rehetra sy ny
olona manontolo.
Ny adidiny dia tanterahany amin’ny alalan’ny :
Fanompoam-pivavahana,
Fampianarana ny Tenin’Andriamanitra,
Fanolorana ny Sakrametan’ny Batisa sy ny Fanasan’ny Tompo,
Fanaovana Tafika Masina sy Famoahana demonia ary fanasitranana ny marary,
Fanabezana ny Fiangonana sy ny olona tsirairay,
Fijoroana ho vavaolombelon’i Kristy eo anivon’ny fiarahamonina,
Asa fanaovan-tsoa mifanaraka amin’ny fiainana kristiana ary ny asa rehetra tsy
mifanohitra amin’ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy,
Famangiana tokantrano,
Fiaraha-miasa amin’ny EMCI sy ny FJKM araka izay tapaka eo amin’ny Fivorian’ny Mpandray.