Hoy i Jesoa:
« Ary mamelà ny helokay tahaka ny namelanay izay meloka taminay » (Mat 6,12), fa tsara raha vakiana koa 6,14-15.
Fampidirana:
- Ny Mat 5-7 dia milaza ny toriteny nataon’i Jesoa tao an-tendrombohitra.
Ny Mat 5,21-48 dia ahitana ny lalàna vaovao ho an’ny vahoakan’ny fanjakan’ny lanitra.
Ny Mat 6,1-18 indray dia miresaka ny lafiny ara-pivavahana. - Teo amin’ny Jiosy dia ireto telo ireto no mivondrona ao amin’ny fiainan’ny mpivavaka:
a) Ny fiantrana (6,2-4)
b) Ny vavaka (6,5-15), mizara roa:
6,5-8: Ny fitsipika fototry ny fivavahana,
6,9-15: Ny vavaka nampianarin’ny Tompo
d) Ny fifadian-kanina (6,16-18)
- Ao amin’ny vavaka nampianarin’ny Tompo no misy ny 6,12.14-15.
Raha jerena ny teny fototra dia « trosa » ny heloka eto amin’ny 6,12; (jereo Rom 4,4) fa ny 6,14-15 kosa dia « fahadisoana » no eto. - Azo adika toy izao ny 6,12: « Mamelà ny trosanay tahaka ny namelanay izay nitrosa taminay »
Ny teny hoe « heloka » dia mampahatsiahy antsika fa « trosa » mihoatra lavitra noho ny vola no ananan’ Andriamanitra amintsika. - Ireto misy lalàna vitsivitsy mikasika ny trosa ato amin’ny Testamenta Taloha: Eks 22,26; Deo 24,6.17 (jereo koa ny 24,10-13); Deo 15,1-3 sns …
Hatreo aloha ny androany fa hotohizana indray amin’ny heriny.
Vavaka:
Mivavaha mba ho foana ao am-pon’ny mpivavaka ny fanararaotana ny hafa sahirana.