Efesiana 6:11-18 | Alim-bavaka 20 Aprily 2023

IREO FIADIN’ ANDRIAMANITRA (Efes 6,11-18)

Fampidirana:

Ny Efesiana, Filipiana, Kolosiana ary Filemona dia antsoina hoe « epistily nosoratan’i Paoly fony izy nigadra ». Tany Roma izy no nanoratra ny Efesiana teo anelanelan’ny taona 60-62 amin’izao androntsika izao.
Tsy nihidy tany an-tranomaizina izy fa nahazo fahalalahana kely ihany ary afaka nandray olona.
Ny fahitany ny miaramila nifanerasera taminy teo no nahatonga azy hanoratra an’ireo fiadin’ Andriamanitra ireo.
Ny fandinihana ny Soratra Masina ataontsika eto dia ilay mampiasa ny Fandinihana (observation), ny Fanazavana na famakafakana (interprétation) ary ny Fampiharana (application).

  1. Fandinihana:

Andeha hotsimponintsika ireo fiadian’ Andriamanitra voatanisa eto:

  • 6,14:
    • ny fahamarinana (vérité) no fehikibo;
    • ny rariny (justice) no fiarovan-tratra;
  • 6,15:
    • ny fahavononana hitory ny Filazantsara no kiraro;
  • 6,16:
    • ny finoana no ampinga;
  • 6,17:
    • ny famonjena no fiarovan-doha;
    • ny tenin’ Andriamanitra no sabatry ny Fanahy;
  • 6,18:
    • ny vavaka.

Hiverenana ny 6,12 izay hahitantsika fa tena matanjaka tokoa ny fahavalo ary manerana ny toerana rehetra na aiza na aiza.

  1. Fanazavana:

2.1. Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina no Andriamanitra marina. Noho izany dia izy no fehikibo mampijoro sy manome hery antsika. Izay ratsy fehikibo dia mora resy. Noho izany dia sambatra isika fa manana Andriamanitra velona dia Jesoa Kristy.
Ny fehikibo koa no hametrahana na hitondrana ny fitaovam-piadiana. Jesoa Kristy izay tena olombelona satria tena maty, Izy koa dia tena Andriamanitra marina satria nandresy ny fahafatesana ka nitsangana tamin’ny maty. Izy no afaka mampandresy antsika amin’ny ady sy ny zava-tsarotra rehetra,

2.2. Ny rariny no fiarovan-tratra satria ao no misy ny taova saropady rehetra. Ny rariny izay fahamarinana araka ny Tenin’ Andriamanitra voarakitra ao amin’ny Baiboly iray manontolo no fiarovana amin’ny fahavalo lehibe indrindra. Ity 6,14 ity dia mifandray amin’ny 6,17b izay milaza ny maha zava-dehibe ny Tenin’ Andriamanitra.
(Ampitahao amin’ny Isa 11,5 ; 59,17)

2.3. Raha tsy manao kiraro handeha hitory isika dia ho resin’ny fahavalo satria ny hafa no hitory ny finoany sy ny fivavahany.

2.4. Manana finoana an’Ilay nandresy ny fahafatesana isika, dia i Jesoa Kristy ary tena afaka miaro antsika tanteraka ny finoana Azy, na manao ahoana na manao ahoana ny tanjaky ny fitaovam-piadian’ny fahavalo.

2.5. Raha toa ka misy ny mbola tsy mahazo antoka ny famonjena azy, dia mila mandray an’i Jesoa ho Tompo sy Mpamonjy azy izy, mba hanjakan’i Jesoa ny fiainany iray manontolo. Izay no sarin’ny loha hitantsika eto.

2.6. Ny Tenin’ Andriamanitra no fitaovam-piadiana ampiasaina eto, fa ireo voalaza rehetra eo ambony ireo dia fiarovan-tena avokoa. Ny Tenin’ Andriamanitra voarakitra ato amin’ny Baiboly no hoentina mandresy ny ratsy. Tsarovy fa raha nalaim-panahy Jesoa dia ny Tenin’ Andriamanitra ihany no nentiny nandresy an’ilay ratsy (jereo Mat 4 1-11; Lio 4,1-13). Tena ilaina ny fahaizana Soratra Masina. Aina koa ny manana Tenin’ Andriamanitra ho teny faneva eo amin’ny fiainana.

2.7. Ny vavaka dia sady fiarovan-tena no fitaovam-piadiana satria sady kely hery isika no tsy mahay na inona na inona, koa miantso an’ Andriamanitra isika mba hiady ho antsika (Eks 14,14). Vavaka ho an’ny tenantsika ary vavaka ho an’ny hafa no atao eto (Kol 4,2-4; 1Tim 2,1-2)

  1. Fampiharana

Tsy misy azo avela ireo fiadian’ Andriamanitra ireo fa tsy maintsy hampiasaina mba hahazoana ny fandresena. Mila haintsika koa anefa ny mampiasa azy ireo fa raha tsy izany dia ho resy an’ady.
Matoa marobe ireo fiarovan-tena ireo dia zava-dehibe amin’ny Tompo ny fiarovan-tena ataon’ny kristiana, indrindra fa ny fiarovan-tena amin’ny ota; izay fahavalo tena matanjaka koa.
Hitantsika eto ny maha zava-dehibe ny Tenin’ Andriamanitra vakiana sy saintsainina ary hiainana isan’andro. Raha tsy manam-potoana hanaovana an’izany ny mpino dia mihomàna fa dia efa resy sahady. Hasaina koa isika mba ho tonga amin’ny Fiarahana mandinika ny Soratra Masina izay atao eto am-piangonana isaky ny Zoma hariva. Tongava ry havana raha te ho mpandresy mandrakariva ianao.
Ity misy fanontaniana: « manana fotoana hivavahana ho anao sy hivavahana ho an’ny hafa ve ianao ». Ataovy izany satria ny fandresena no tanjona.

Farany: Jereo fa tsy misy ny fiarovan-damosina; noho izany dia tsy maintsy hatrehana ny fahavalo ary koa tsy mahazo mitsoak’ady fa mety tonga dia ho faty.
Raha vitatsika ireo hoy ny 6,13 dia sady hanam-pahefana hanohitra sy hiady isika no hahajoro mandrakariva.

Mirary anao izahay hitafy ny fiadian’ Andriamanitra isan’andro; mandra-pihavin’ny Tompo. Amen.
Ny Mpitandrina