Ny Sampana STS

NY FIJOROANY:

Nijoro teto amin’ny Fiangonana Kristiana Malagasy (FKMA) tamin’ny 26 Fevrier 2020 ny  Skoto Tranainy sy Sakaiza; afohezina amin’ny hoe STS. 

NY TANJONA:

Ny tanjony dia ny hitory ny Filazantsaran’I Jesoa Kristy sy hijoro ho vavolombelony amin’ny fanompoana Azy (Mat 28,19; Jao 3,28a) amin’ny endriny hita maso

NY ZAVA-KENDRENA:

Ny zava-kendrena dia:

  • Hizara amin’ny Fiangonana ny soa rehetra azo tao amin’ny fitaizana Skoto,
  • Handray anjara araka izay azo atao mba handrosoan’ny firahalahiana sy ny fifankatiavana eo amin’ny samy mpino ato amin’ny Fiangonana.

NY MPIKAMBANA:

Mizara roa ny mpikambana:

  • Ireo rehetra nandalo fitaizana skoto,
  • Ireo antsoina hoe “Sakaiza”; dia ny vady aman-janak’ireo nandalo fitaizana skoto ka vonona hiditra ho mpikambana sy ny Kristiana tsotra ka te-hirotsaka ho STS.

NY BIRAON’NY SAMPANA

Filoha : RABOSAONA Hansa
Filoha Mpanampy : RAKOTONIAINA Fiderana
Mpitantsoratry ny Fivoriana : RATSIMBA-ANDRIANTAVY Haribenja Lalaina
Mpitantsoratry ny Vola : RAKOTOMALALA Hanitra
Mpitahirivola : RAKOTOMALALA Hanitra

Diakona Mpiahy : RAKOTONIRAINY Manovosoa Toavinkaja Anjaratiana

Mpihevi-draharaha : ANDRIANTAVY Clémence
Mpihevi-draharaha : RABOSAONA Hansa