NY FIJOROANY:
Nijoro teto amin’ny Fiangonana Kristiana Malagasy (FKMA) tamin’ny 26 Fevrier 2020 ny Skoto Tranainy sy Sakaiza; afohezina amin’ny hoe STS.
NY TANJONA:
Ny tanjony dia ny hitory ny Filazantsaran’I Jesoa Kristy sy hijoro ho vavolombelony amin’ny fanompoana Azy (Mat 28,19; Jao 3,28a) amin’ny endriny hita maso
NY ZAVA-KENDRENA:
Ny zava-kendrena dia:
- Hizara amin’ny Fiangonana ny soa rehetra azo tao amin’ny fitaizana Skoto,
- Handray anjara araka izay azo atao mba handrosoan’ny firahalahiana sy ny fifankatiavana eo amin’ny samy mpino ato amin’ny Fiangonana.
NY MPIKAMBANA:
Mizara roa ny mpikambana:
- Ireo rehetra nandalo fitaizana skoto,
- Ireo antsoina hoe “Sakaiza”; dia ny vady aman-janak’ireo nandalo fitaizana skoto ka vonona hiditra ho mpikambana sy ny Kristiana tsotra ka te-hirotsaka ho STS.
NY BIRAON’NY SAMPANA
Filoha : RABOSAONA Hansa
Filoha Mpanampy : RAKOTONIAINA Fiderana
Mpitantsoratry ny Fivoriana : RATSIMBA-ANDRIANTAVY Haribenja Lalaina
Mpitantsoratry ny Vola : RAKOTOMALALA Hanitra
Mpitahirivola : RAKOTOMALALA Hanitra
Diakona Mpiahy : RAKOTONIRAINY Manovosoa Toavinkaja Anjaratiana
Mpihevi-draharaha : ANDRIANTAVY Clémence
Mpihevi-draharaha : RABOSAONA Hansa


