Famintinana fianarana soratra masina ny Zoma 12 Mey 2023

Ny tsy mampitovy ny Andriamanitry ny Baiboly sy Allah

Araka ny fangatahantsika dia hiresaka momba ny tsara ho fantatra mikasika ny fivavahana silamo isika androany na koa ny tsy mampitovy ny Andriamanitry ny Baiboly sy Allah.
Misy mantsy ny milaza fa Andriamanitra tokana ihany no ivavahantsika, noho izany dia hojerena ny maha marina na tsia an’izany.

1. Misy fivavahana telo eto an-tany izay samy niandoha tamin’i Abrahama dia ny jodaisma sy ny kristianisma ary ny silamo.
Antsoina hoe « monothéiste » ireo mivavaka amin’ny Andriamanitra tokana ary anisan’izany ireo fivavahana telo ireo.

2. Hojerena fohy ny silamo:
– silamo no anaran’ny fivavahana ary « fanoavana » (soumission) no dikany,
– fivavahana niandoha tamin’ny 622 amin’izao androntsika izao. Teo no nanomboka ny vanim-potoanan’ny silamo (hégire)
– musulman no anaran’ny mpanaraka ny fivavahana silamo; izany hoe ireo « mpanoa na mpankatoa an’i Allah »
– coran no anaran’ny bokim-pivavahany ary « tsianjery » (récitation) no dikany. Maro ny musulmans no tsy manaiky ny coran hadika amin’ny fiteny isa-pirenena, fa tsy coran intsony ny coran hoy izy ireo rehefa tsy vakiana amin’ny teny arabo izay nanoratana azy.
Allah no anaran’ny Andriamaniny. Io Allah io dia anaran’ Andriamanitra (Dieu) fa amin’ny teny arabo talohan’ny fivavahana silamo.

Ity fivavahana ity dia manana an’ilay antsoina hoe: « andry dimin’ny silamo » dia ny:
. « Shahāda » ity dia karazana fanekem-pinoana izay milaza fa: « Manamarina aho fa tsy misy Andriamanitra afa-tsy Allah ary Mohammad irery no mpaminany (envoyé na messager). Rehefa manonona an’io am-pahibemaso ny olona iray dia lasa musulman izy ary homena anarana silamo raha tsy manana an’izany anaran izany,
. « Salāt » na ny vavaka indimy isan’andro,
. « Zakāt » manokana vola mba hanaovana asa soa sy ho an’ny mahantra,
. « Sawn » na ny fifadian-kanina amin’ny volana Ramadan,
. « Hadj » na ny fivahiniana masina any La Mecque izay atao indray mandeha eo amin’ny fiainana raha manana ny hoenti-manana ny amin’izany.

Misy kintana sy volana eny amin’ny mosquée ary no loko maintso no mampiavaka ny sainan’ny firenena musulmans:
Kintana misy rantsany dimy dia ny andry dimin’ny silamo,
Volana tsinana dia ny volana Ramadan,
Loko maintso dia ny lokon’ny zaridaina maintso mavan’ny paradisa.

Ireo no kely tsara ho fantatra mikasika ny fivavahana silamo.

3. Momba an’i Allah:
Andriamanitra be indrafo, feno fangorahana, tsara fanahy, tia sy hendry. Izy no mpamorona, mpanohana, mpanasitrana, ilay mitarika, ilay miaro, ilay mamela heloka. Misy anarana 99 iantsoana azy.
Tokana i Allah, sady tsy lahy no tsy vavy, tsy niteraka (noho izany dia tsy azo antsoina hoe « ray »), mivavaka mivantana aminy tsy misy mpanelanelana, tsy misy azo ampitahaina aminy, mahafantatra ny tsiambaratelon’ny fo. Izy no hitsara ny olona amin’ny andro farany.
Tsy azo atao ny « sary fanehoana » an’i Allah

4. Ny musulmans dia tsy mino an’i Jesoa Kristy ho manana ny toetra maha Andriamanitra Azy, tsy mino ny Fanahy Masina koa izy ireo. Noho izany dia tsy mino ny Trinité izy ireo. Mino anefa iźy ireo fa Jesoa (Issa no fiantsony Azy) dia nateraky ny virjiny.
Izy ireo dia mino fa ny lehilahy mendrika aorian’ny fitsaran’ i Allah dia mahazo ny paradisa. Any dia miandry ny lehilahy iray ny « houris » izay vehivavy tsara tarehy arabo virjiny miisa 70. Ny lehilahy ihany no mahazo ny paradisa fa ny vehivavy mendrika kosa dia efa manomana famindrampo sy valisoa lehibe ho azy i Allah.

5. Tsy marina amin’ny silamo mihitsy ny « Imanoela » (Isa 7,14) izany hoe: « amintsika Andriamanitra ». Izy ireo anefa dia manonona ny anaran’ i Allah imbetsaka isan’andro (ny kristiana dia tsy manonona foana ny anaran’i Jehovah Andriamanitra). Ireto misy fomba fiteny isan’andro izay hanononana ny Andriamanitra isan’andro:
– Bismillah = amin’ny anaran’i Allah. Fanafohezan-teny io fa mbola azo tohizana hoe  » ilay mamindrafo sy be indrafo » (clément et miséricordieux). Ny zaza musulmans raha vao mianatra miteny dia io no hampianarina azy voalohany. Misy toe-javatra impolo fara fahakeliny isan’andro no ampiasana azy: rehefa hisakafo sy vita ny sakafo, rehefa tonga ao an-trano na hivoaka, rehefa makany amin’ny toilette na trano fivoahana, sns …
– Allahou Akbar = Allah no lehibe indrindra. Fampiasa io rehefa alohan’ny hamaky sourate (andininy amin’ny coran). Fampiasa koa io alohan’ny vavaka sy mialoha an’ireo fihetsika samihafa amin’ny fivavahana.
« Cris de guerre » koa io ary hita amin’ireny hetsika ataon’ny mahery fihetsika ireny.
– Al-hamidu-li-l-lāh = dera ho an’ Andriamanitra na an’ Andriamanitra irery ny fiderana. Fiteny ilazana ny fankasitrahana feno an’ Andriamanitra amin’ny zavatra iainana sy ivelomana (feno fahombiazana)
– Inch Allah = raha sitrapon’i Allah. Tenenina rehefa misy faniriana tiana ho tanteraka.
Hita amin’izany fa tena manonona foana imbetsaka ny anaran’ Andriamaniny ny musulmans isan’andro.

6. Ny mpaminany Ibrahim na Abrahama no tena namana akaiky sy tian’i Allah indrindra satria niavaka ny fiainany. Ohatra: ilay fety antsoina hoe « Tabaski » (= fetin’ny ondry), amin’ity taona ity dia ny alakamisy 29 jona 2023, dia ho fahatsiarovana ny nanaovan’i Ibrahim sorona (Abrahama) an’i Isimaela (fa ny antsika kristiana dia Isaka).
Moussa na Mosesy koa dia tiany satria niresaka nivantana tamin’ Andriamanitra.

7. Ny anarana tena tian’ Andriamanitra dia Abdallah = « mpanompon’i Allah », mitovy amin’izany koa ny Abd-Rahman na Abdel-Rahman na Abdoul-Rahman.

8. Rehefa manonona ny anaran’i Mohammad ny musulmans dia tsy maintsy ampiany hoe « ho aminy anie ny fiadanana sy ny fitahin’i Allah ». Izy no mpaminany farany izay mpitondra ny hafatr’ andriamanitra.

FEHINY:

Tena tsy mitovy mihitsy ary tsy iray ihany ny Andriamanitra ivavahan’ny kristiana sy ny silamo:
Hoy i Jesoa: « Izaho sy ny Ray dia iray ihany » (Jao 10,30), ary koa « Izay nahita ahy dia nahita ny Ray » (Jao 14,9): tena tsy marina eo amin’ny silamo izany.
« Jesoa no endrik’ Andriamanitra tsy hita, ny Lahimatoa talohan’izao zavatra ary rehetra izao » (Kol 1,15): tsy azo inoana izany hoy ry zareo.
Ny coran dia ny anjely Djibril (Gabriela) no nanonona tamin’i mpaminany Mohammad an’ireo tenin’ Allah amin’ny teny arabo. Efa taty aorian’ny nahafatesan’ny mpaminany vao voasoratra ny coran.
Ny Soratra Masina mirakitra ny tenin’ Andriamanitra dia avy amin’ny tsindrimandrin’ Andriamanitra (2Tim 3,16), ary Jesoa mihitsy Ilay Tenin’ Andriamanitra tonga olombelona (Jao 1,14). Tsy mino an’izany ny musulmans ary ambarany fa novaintsika (falsifié) ny Soratra Masina. Olon’ny boky no fiantsoany ny kristiana.
Tandremo anefa fa tsy azo raisina ho fahavalo izy ireo na dia eo aza ireo mahery fihetsika. Ny ataontsika dia mivavaka mba handre ny Filazantsara ny musulmans ka hanolotra ny fiainany ho an’i Jesoa.

An’ Andriamanitra irery ny voninahitra. Amen.
Ny Mpitandrina