SAMPANA SY ASA:
Noho ny fotoam-pialan-tsasatra, dia miato avokoa ireo Fandaharam-potoana mahazatra rehetra. Ireto no mbola misy amin’ity herinandro ity:
1. Mitohy ny fiomanana ho mpiandry any am-piangonana ny Alatsinainy sy Talata hariva.
2. Ny Fiaraha mandinika Soratra Masina dia misy amin’ny zoma 23/06/2023 amin’ny 7 ora hariva aty am-piangonana. Ny hodinihana sy hifampizarana amin’izany dia ny Kol 3,18-19. Noho izany dia hasaina ny mpivady rehetra mba ho tonga maro.
3. Ao anatin’ny fialan-tsasatra dia misy foana ny Fanompoam-pivavahana isaky ny Alahady maraina manomboka amin’ny 9 ora eny am-piangonana (Plateau)
ASA IVELANY:
Noho ny Fetim-pirenena dia hanao Fanompoam-pivavahana iraisam-pinoana isika izay iarahana amin’ny FIKRIKAMA; ny Alahady 25 Jona 2023 eny amin’ny CELAF Riviera 3, manomboka amin’ny 10 ora maraina. Noho izany dia tsy misy ny fanompoam-pivavahana eny amin’ny Plateau amin’io.
An’ Andriamanitra irery ny voninahitra. Amen.