Vaovao tokana ihany no hampitaina:
Nahazo Fanasana ny FKMA hanatrika ny fitokanana ny « studio » ao amin’ny EMCI Les Béatitudes Plateau, izany dia hatao amin’ny Alahady 30 Jolay 2023 ho avy izao, amin’ny 9 ora maraina.
Noho izany dia mikatona ny FKMA amin’ny Alahady izao fa miara-mivavaka amin’ny EMCI isika.
Manasa antsika rehetra mba ho tonga maro satria ho tonga ao ny Bishop Benjamin BONI sy Très Révérend Michel LOBO.
Ny Alahady 6 Aogositra dia miara-mivavaka sy mandray ny Fanasan’ny Tompo isika FKMA ao amin’ny Fiangonana mahazatra. Manomboka amin’ny 9 ora maraina tsy diso.
Mirary fialantsasatra feno fifaliana sy fahasalamana ary fiadanana ho anareo, miaraka amin’i Jesoa.
Azy irery ny Voninahitra. Amen.