Famintinana Fiaraha-mandinika Soratra Masina 08/12/2023

FIANGONANA (Tohiny sady farany)

Tsy miala ato amin’ny bokin’ny Asan’ny Apostoly isika (2,42-47)

2,44: « Nino » no iantsoana ny kristiana eto. Izany dia avy amin’ny matoateny « mino ».
Maro samihafa no iantsoana ny mpanara-dia an’i Jesoa ato amin’ny Asan’ny Apostoly:

  • ny rahalahy (1,15),
  • mpianatra (6,1),
  • làlana (momba izany fampianarana izany) (9,2),
  • ny olona masina (9,13),
  • kristiana (11,26) 2,45: tamin’ny fitiavana be tsy misy teritery no nanomezany ny fananany rehetra,

2,46: ireto koa no nampiavaka ny Fiangonana voalohany:

  • niray saina isan’andro,
  • nazoto nankeo an-kianjan’ny tempoly,
  • nivory any an-tokatrano (mety ho nifindrafindra trano),
  • namaky ny mofo tao an-trano
    Nanana toe-panahy tamin’ny fahatsoram-po,

2,46: ankoatran’ny fiderana an’ Andriamanitra izay iainan’ny rehetra, dia nahita fitia tamin’ny vahoaka rehetra koa izy ireo. Angamba noho ny nataony ao amin’ny 4,33.

Zava-dehibe teo amin’ny Fiangonana voalohany ny fiarahana mandray ny Fanasan’ny Tompo ary tokony ho tsy ambaka an’izany isika ankehitriny.
Fiadanana.

An’ Andriamanitra irery ny voninahitra. Amen.