Ny sampana Vehivavy

« Fa ny vehivavy matahotra an’i Jehovah ihany no hoderaina. » Ohabolana 31:30b

NY FIJOROANY:

Ny Sampana vehivavy dia Sampana mitsangana sy raikitra eo anivon’ny Fiangonana FKMA.Ny mpikambana dia ireo vehivavy Kristianina tsy anavahana finoana ary nanolotena hirotsaka ao amin’ny fikambanana.

Mivory isaky ny Sabotsy faharoa amin’ny volana itsahana ny Mpikambana, ary ny fivoriana dia atao  mifandimby any antokantranon’ny Mpikambana tsirairay.
Misy ny latsakemboka isantaona ,asa soa isantaona, fivoahana isantaona izay tanterahan’ny fikambanana.

Ny Sampana vehivavy no  manomana sy manao ny voninkazo isaky ny fandraisana sy ny fotoan-dehibe rehetra eto amin’ny Fiangonana.

NY TANJONA:

Ny tanjona sy ny zavakendren’ny Fikambanana dia

  • Ny mba hisian’ny fifankatiavana, fifandraisana, fifankahalalana eo amin’ny Mpikambana, 
  • Ny fizarana traikefa momba ny tokantrano sy ny fiainana andavan’andro
  • Ary indrindra indrindra ny fandalinana sy ny fianarana ny soratra masina mba handrosoana bebe kokoahatrany amin’ny fanarahana ny Tompo sy ny asa fanompoana.

NY BIRAON’NY SAMPANA

Ny Filohan’ny Fikambanana: RATOARIJAONA Vololona
Loholona: Maman Somano
Diakona Mpiahy: ANDRIANARY Nivo
Mpitambola : RAVOARAHARISON Aline , RABETALIANA Malalasoa
Mpitantsoratra: RAKOTOMAHEFA Fetra, MANAMBINTSOA Vero
Mpihevidraharaha: RABETALIANA Malalasoa, RAKOTOSON Nathalie

Manentana antsika vehivavy izay mbola tsy ao anaty fikambanana mba hiditra sy hanatevindaharana fa fifanampiana sy asa fanompoana no tanterahintsika kristiana