NIARAHANA TAMIN’NY SAMPANA VOKOVOKO MANGA
Ny kristiana manoloana ny fisotroana toaka sy divay ary ny fifohana sigara sy ny zava-maha domelina isan-karazany.
Fahotana ve ny fisotroana, nefa Jesoa ary dia namadika ny rano ho tonga divay ? Ahoana ny mikasika ny abstinence sy ny tempérance ary ny modération ? Inona no tokony hataon’ny kristiana manoloana an’izany ? Noho izany dia azo hatao lohahevitra ny hoe : Inona ny ambaran’ny Baiboly mikasika ny zava-mahamamo sy ny zava-maha domelina.
FIZARANA FAHAROA
4-Ny divay ato amin’ny Baiboly :
4.1. Ireo fanomezan’ Andriamanitra mba hahatsara sy hahafaly ny olona :
Araka ny Sal 104,14-15 dia misy zavatra telo (3) omena ny olona, mba hahatsara ny fiainany :
- ny divay : mariky ny fifaliana, mahafaly ny fo, fankasitrahana tanteraka an’ Andriamanitra Izay be fitiavana ny olona.
- ny diloilo : ato amin’ny Baiboly ny diloilo dia : anisan’ireo singa azo atao fanatitra, ampiasaina koa rahefa hanosotra : mpisorona, mpaminany, mpanjaka ; nampiasaina tamin’ny fitsaboana ihany koa ary farany dia mahatsara ny tarehy.
- ny mofo : sakafo mahavelona ny vatana mba hiatrehana ny fiainana (jereo koa Mpito 3,13, 9,3)
4.2. Jesoa nanova ny rano ho divay (Jao 2,1-11). Henatra ny tsy fahampian’ny divay ao amin’ny fanasana. Noho izany dia Jesoa no afaka manala ny henatra mety mahazo antsika ary Izy irery no afaka manome fifaliana maharitra mandrakizay. Araka ny 2,10 dia nisy alikola ity divay ity.
4.3. Nisotro divay i Jesoa (Mat 11,18-19 ; Lio 7,33-34).
4.4. Nampiasain’i Jesoa tamin’ny fanorenana ny Fanasan’ny Tompo ny divay (Mat 26,26-29)
4.5. Araka ny Isa 25,6 dia hanao fanasana lehibe Andriamanitra mariky ny fanavotany ny vahoakany misy divay izany. Ho an’ny kristiana kosa anefa dia filazana mialoha ity fety be ity izay miaraka amin’ny divay fa, ho avy ny andron’ny Mesia sy ny fampakaram-badin’ny Zanak’ondry (Mat 22 ; Apo 19)
Misotro divay amin’ny fahalalana onony no ambaran’ny Baiboly (modération).
Noho izany dia tsy fahotana ny misotro divay ary Jesoa koa dia nisotro divay misy alikola « oinos ».
5-Fa ahoana kosa ary ny mikasika ny hamamoana ?
Araka ny 1Tim 3,3 ny Mpitandrina dia « tsy mpimamo » na « tsy manaram-po amin’ny divay ». Dia toy izany koa ny diakona « tsy tia divay be » na koa « tsy liana amin’ny divay » (1Tim 3,8).
Ireto misy voambolana grika vitsivitsy tsara ho fantatra :
Methusko : mamo (s’enivrer, être ivre) : Lio 12,45 ; Efe 5,18 ; 1Tes 5,7,
Methuo : mamo (être ivre) Mat 24,49 ; Asa 2,15,
Methusos : olona mamo na ao anatin’ny fahamamoana (ivre, en état d’ivresse)1Kor 5,11,
Methai : fisotroana betsaka (beuverie) Gal 5,21)
Hitantsika amin’izany fa ny fahamamoana no fahotana (Efe 5,18).
Mamo ny olona rehefa manomboka tsy mahafehy ny fiteniny sy ny fihetsiny : miraikitra ny lelany, mikorontana ny zavatra hitany, varimbariny, …
Marihana hatrany fa tsy misy voambola hoe « toaka » araka ny heviny ankehitriny ato amin’ny Baiboly, fa ny divay mahery « shekar » (jereo ny Fizarana voalohany) no nadika hoe toaka. Amin’ny maha divay mahery azy dia tena mahamamo. Arakaraky ny « dégré » an’ny zava-pisotro misy alikola sotroin’ny olona no maha mamo haingana azy. Misy aza dia dimy minitra aorian’ny fanombohana misotro dia efa manomboka mamo. Dia teo no teraka ny foto-kevitra « abstinence » na ny tsy fisotroana mihitsy na dia iray mitete aza. Ny Vokovoko Manga FJKM dia nisafidy ny abstinence.
6-Ireo andinin-tSoratra Masina milaza ny maharatsy (zava-doza) ny zava-pisotro mahamamo (labiera, divay, toaka, …)
Oha 20,1 : manakorontana, mahatonga adala,
Oha 21,17 : manimba, mampahantra,
Oha 23,29-35 : ireo zava-doza entin’ny alikola amin’ny fiainana, poizina ho an’ny olombelona,
1Kor 6,10 : ny mpimamo dia tsy handova ny fanjakan’ Andriamanitra ; jereo koa ny Isa 5,11 ; Hab 2,15.
7-Paraky, sigara, zava-mahadomelina (drogues) :
Ato amin’ny Soratra Masina dia tsy misy milaza mivantana ny amin’ireo. Kanefa dia tena ratsy satria mampisy fiankinan-doha ny fandraisana azy ireo. Malemilemy, tsy mahavita ny asa aman-draharaha tokony hatao raha vao tsy mampiasa azy ireo. Noho izany dia tena ratsy ho an’ny zanak’ Andriamanitra vita batisa ny fandraisana ny zava-mahamamo sy ny zava-mahadomelina. Paoly dia nampianatra antsika fa « tsy mety handevozin-javatra » ny mpino. Noho izany dia fadio izay rehetra manandevo ny olona (1Kor 6,12, jereo koa ny 1 Jao 2,16)
FEHINY :
Ratsy amin’ny lafiny rehetra maha olona, izay nataon’ Andriamanitra mitovy enfrika Aminy, ny zava-mamamo sy ny zava-mahadomelina. Mahavery ka tsy handovàna ny lanitra ny fampiasana azy.
Ny Sampana Vokovoko Manga (SVM) dia mitaona ny olona rehetra mba hifady ny zava-mahamamo sy ny zava-mahadomelina.
Noho izany, ny SVM dia tsy fahavalon’ny mpisotro toaka na hanenjika an’izay rehetra mifoka sigara
, fa mivavaka sy manampy azy ireo mba ho afaka amin’ny fidorohana zava-mahamamo sy zava-mahadomelina.
Hoy Jesoa : « Koa raha ny Zanaka no hahafaka anareo, dia ho afaka tokoa ianareo » (Jao 8,36)
An’ Andriamanitra irery ny voninahitra. Amen.
Rakotoniaina, Mpitandrina
