Fiaraha-mandinika Soratra Masina 23/01/2026

NIARAHANA TAMIN’NY SAMPANA VOKOVOKO MANGA

FITARIHANA :

Ny kristiana manoloana ny fisotroana toaka sy divay ary ny fifohana sigara sy ny zava-maha domelina isan-karazany.

Fahotana ve ny fisotroana, nefa Jesoa ary dia namadika ny rano ho tonga divay ? Ahoana ny mikasika ny abstinence sy ny tempérance ary ny modération ? Inona no tokony hataon’ny kristiana manoloana an’izany ? Noho izany dia azo hatao lohahevitra ny hoe : Inona ny ambaran’ny Baiboly mikasika ny zava-mahamamo sy ny zava-maha domelina.

FIZARANA VOALOHANY

1-FAMPIDIRANA :

  • Ny divay no zava-pisotro misy alikola voalaza mivantana ato amin’ny baiboly, noho izany dia ny divay no horesahana betsaka eto amin’ity Fizarana voalohany anio ity, fa amin’ny heriny, ao anatin’ny Fizarana faharoa no horesahana ny momba ny toaka sy ny sigara ary hamaly ny mikasika ny abstinence sy ny tempérance ary ny modération,
  • Ato amin’ny Baiboly dia nisotro divay ny vahoakan’ Andriamanitra. Ny Nazirinta tahaka an’i Samsona ao amin’ny Tesamenta Taloha sy Jaona mpanao batisa ao amin’ny Testamenta Vaovao ihany no tsy nisotro divay sy ireo vokatra avy amin’ny voaloboka (Nom 6,1-4). Marihana fa Jesoa dia tsy Nazirinta fa Nazareana (olona avy any Nazareta) jereo Lio 18,37.
  • Noa no razamben’ny nanao divay sy nisotro ka mamo, raha ny voarakitra ato amin’ny Baiboly (Gen 9,20-21)
  • Amin’ireto andinin-tSoratra Masina ireto dia voatonona ny divay sy ny toaka (Mpits 13,14 sy Oha 20,1) fa raha ny tena marina dia tsy ilay toaka araka ny fahalalantsika azy ankehitriny io toy ny dzama sy negrita ary ireo rhum samihafa, fa azo hambara fa divay mahery tena mahamamo (maha dizina tanteraka) io nadika hoe toaka io. Noho izany dia tsy misy soratra hoe toaka (rhum) ao amin’ny Baiboly.
  • Ny teny hoe : « ny fimamoana sy ny … ny fisotroan-toaka » ato amin’ny 1Pet 4,3 ; dia azo adika hoe : « ny fahamamoana amin’ny fisotroana divay sy ny … ny fisotroana be tafahoatra »
  • Ny divay dia azo avy amin’ny fermentation an’ireo voankazo azo anaovana azy, fa ny toaka dia azo avy amin’ny distillation, kanefa dia samy misy alikola izy ireo, noho izany dia mahamamo.

2-IREO KARAZANA DIVAY NA VOKATRA AVY AMIN’NY VOALOBOKA :

2.1.Ireo misy alikola ary tena mahamamo :

  • Yayin : (grika : oinos) io no matetika fampiasa raha milaza ny divay (jus fermenté du grappe). Miverina in-140 eo ho eo ato amin’ny Baiboly. Mahamamo (Gen 9,21 ; sns …),
  • Shekar : zava-pisotro tena mahamamo (boisson forte ou enivrante). Io matetika no nadikan’ny Baiboly Malagasy hoe toaka. Azo avy amin’ny voankazo sy ny céréales toy ny orge (karazana varim-bazaha), ny tantely, ny dattes, vin de palme. Ny shekar na divay mahery dia anisan’ny nampiasaina tamin’ny fanatitra ho an’Andriamanitra (Nom 28,7)
  • Sobe’ na sobhea : ity dia ilazana ny divay ihany koa (Isa 1,22 ; Hos 4,18 ; Nah 1,10). Ny faikan’izy ity dia antsoina hoe shemarim ; ary avy amin’izany ny divay antsoina hoe vin vieux. Ity no azo lazaina fa vin de qualité supérieure satria efa niotrika ela tamin’ny faikany, ary io no tena tiana sy nankafizin’ny Israelita (Lio 5,39)
  • Tirosh (grika : gleukos) : antsoina matetika hoe divay vaovao (vin nouveau), ary antsoina koa hoe ranom-boloboka (Hos 4,11 ; Nom 18,12 ; Neh 10,38). Antsoina koa hoe divay mamy (Asa 2,13) . Fanamarihana : misy manasokajy azy ity hoe divay tsy misy alikola satria dia ny ranom-boaloboka tsotra izao no tirosh. Misy manao hoe misy alikola fa tena kely dia kely.

2.2.Ny divay na ranom-boaloboka tsy misy alikola :

  • Asis : jus de raisin (non fermenté) Isa 49,26 ; Amo 9,13. Misy ny asis azo avy amin’ny faikan’ampongabendanitra (moût de grenade) (Tonon-kira 8,2)

2.3.Ny vinaingitra :

Marina fa tsy ny voaloboka ihany akory no hahazoana vinaingitra fa misy koa ny voankazo hafa toy ny paoma (vinaigre de cidre) sy ny hafa koa, fa mba entina hilazana fotsiny fa vokatra avy amin’ny voaloboka fa tsy mahamamo ny vinaingitra. Ny taux d’acidité ireny misoratra amin’ny divay hitantsika ireny (Nom 6,3). Manimba nify ny divay (Oha 10,26) ary tsy azo atao rano fisotro (Sal 69,21)

3.NY NAMPIASANA NY DIVAY ATO AMIN’NY BAIBOLY :

Ankoatran’ny nisotroan’ny olona azy dia :

  • Loharanon’ny fifaliana sy ny fitahina avy amin’i Jehovah ny divay :

Sal 104,15 (divay yayin) ; Isa 25,6 (divay shemarim : divay ela) ; Mpito 9,7 (divay yayin),

  • Lafiny fahasalamana (1Tim 5,23),
  • Anisan’ny nampiasaina natao fanatitra :

Nom 15,10 (divay yayin) ; Nom 28,7 (shekar : divay mahery) ; Lev 23,13 (divay yayin),

  • Nisy ny fahazoan-dàlana hividy divay amin’ny andro fety Deo 14,26 (divay yayin)

Tapitra ny FIZARANA VOALOHANY, hotohizana indray amin’ny heriny

An’ Andriamanitra irery ny voninahitra. Amen.

Rakotoniaina, Mpitandrina.