Fiaraha-mandinika Soratra Masina  20/02/2026

NY KAREMY

Ny Alahady 22 Febroary 2023 no Alahady voalohany amin’ny Karemy. Koa heverina fa tsara ny miresaka ny amin’izany mba hahazoantsika mandroso hatrany amin’ny fanompoana ny Tompo.

Tsy mitovy amin’ny datin’ny Noely izay Andro raikitra dia ny 25 Desambra ny datin’ny Paska sy ny Pentekosta, fa miovaova satria nahoana?

1-Ny Paska sy ny Pentekosta:

Ny Concile de Nicée tamin’ny 325 no nanapaka ny datin’ny Paska ho toy izao:

Ny alahady voalohany aorian’ny volana fenomanana aorian’ny “equinoxes du 21 mars” no Alahadin’ny Paska. Amin’ity taona 2026 ity dia 2 Aprily no fenomanana ny volana aorian’ny 21 Martsa, ka dia ny alahady 5 Aprily no andron’ny Paska. Eo indray vao manisa 40 andro miverina (tsy isaina ny Alahady), dia izay no nahatonga ny Alarobia 18 Febroary ho fanombohan’ny karemy.

Rehefa azo ny datin’ny Paska dia ny 5 Aprily, dia eo indray vao manisa 40 andro, dia io no Andro Niakaran’I Jesoa ho any an-danitra dia ny Alakamisy 14 Mey 2026 amin’ity taona ity.

Manisa 50 andro indray aorian’ny Paska na 10 andro aorian’ny Andro niakarana; dia io indray no Pentekosta ka ny 24 Mey izy amin’ity taona ity.

Raha fintinina izany dia ny “equinoxes du 21 mars” no hiaingan’ny fanisan’andron’ireo Fety telo lehiben’ny kristiana dia ny Paska sy Andro niakarana ary ny Pentekosta.

2-Ny karemy:

Araka ny efa nambara etsy ambony dia nanomboka ny 18 Febroary ny karemy ary mifarana ny Alakamisy Masina na ny Sabotsy mialoha ny Paska.

“Faha efapolo” no dikan’ny karemy; izany dia hahatsiarovana an’ireto:

  • Ny 40 andron’ny safo-drano tamin’ny andron’I Noa (Gen 7,17)
  • Ny 40 taona nivezivezen’ny vahoakan’ Andriamanitra tany an’efitra, alohan’ny hiditra ny tany Kanana (Nom 14,33-34)
  • Ny 40 andro nijanonan’I Mosesy tao amin’ny tendrombohitra Sinay ka tsy nihinanany hanina nadritra ny 40 andro sy 40 alina (Eks 34,28),
  • Ny 40 andro sy 40 alina; izay fotoana nifadian’I Jesoa hanina tany an’efitra.

3-Ny lokon’ny Karemy:

Volomparasy no loko litorjikan’ny karemy; izany dia midika fahalahelovana. Malahelo ny amin’ny ota izay mahafaty, mahavery any amin’ny elo raha tsy hibebahana. Ary koa fiombonana fahoriana amin’I Jesoa izay nampitafiana lamba volomparasy ny Zoma Masina; mialohan’ny namatsihana azy teo amin’ny hazo fijaliana (Mar 15,17)

4-Ny foto-kevitry ny karemy:

Araka ny Isa 58,6-7 dia:

  • Fotoana fandinihan-tena ny karemy, ka ao anatin’izany no hamantarana ny zioga rehetra (fahotana) mbola mitambesatra sy mamatotra,
  • Fibebahana,
  • Fanafahana amin’ny gejan’ny ota,
  • Fanaovana asa soa sy fihantrana ho an’ireo izay mila vonjy.

5-Ny fiatrehana ny karemy:

Ny fifadian-kanina dia

  • fifantohana tanteraka amin’Andriamanitra,
  • endriky ny fibebahana,
  • famelana ny fy eto amin’izao tontolo izao,
  • tsy hieritreretana ny fiainana sy ny fanao andavan’andro, fa fifantohana tanteraka amin’ Andriamanitra sy ny hazo fijalian’I Jesoa Kristy.

Ny Fiainam-bavaka izay fanamafisana ny fifandraisana amin’ Andriamanitra. Izany anefa dia tsy afaka misaraka amin’ny famakiana sy fihainoana ary fisaintsainana ny Tenin’ Andriamanitra.

Ny asa soa sy fihantrana ho an’izay mila vonjy:

Midika ho fisokafana amin’ny hafa sy fizarana an’izay ananana ary fiombonan’aina amin’ireo mila vonjy. Avela izay rehetra mety ho fanao ratsy tamin’ny hafa.

FEHINY:

Dingam-piainana sy vanim-potoana iray eo amin’ny fiainan’ny mpino ny karemy. Noho  izany dia fanararaotra mba hiavaozana ara-panahy. Amen.

An’ Andriamanitra irery ny voninahitra. Amen.

Ny Mpitandrina.