Ny famangiana tokantrano dia natao mba hampitombo sy hanamafy ny fifankatiavana eo amin’ny vahoakan’ Andriamanitra. Kendrena amin’izany ny hivelaran’ny fifandraisana sy ny fifaneraserana mba hisehoan’ny voninahitr’ Andriamanitra.Ny famangiana ihany koa dia entina hamohazana indray an’ireo somary natoritory ka tsy hitahita niangona.
Ny famangiana tokantrano dia iarahan’ny Mpitandrina sy ny diakona manatanteraka isaky ny sabotsy tolakandro.
« Ary mananatra anareo izahay, ry rahalahy; anaro izay tsy mitoetra tsara; omeo toky ny malemy saina; ampaherezo ny reraka; mandefera amin’ny olona rehetra. Tandremo mba tsy hisy hamaly ratsy olona; fa miezaha mandrakariva hitady izay tsara, na amin’ny namanareo na amin’ny olona rehetra » (1Tes 5,14-15)