Tontonsa soa amantsara ny Alim-bavaka nokarakarain’ny sampana Antoko Mpihira ny alin’ny alakamisy faha 20 Aprily 2023 tetsy Mpouto Cocody.
Ny biraon’ny sampana Antoko Mpihira dia
Misaotra an’ANDRIAMANITRA Lehibe fa tontosa soamantsara ny Alimbavaka nokarakarain’ny sampana Antoko Mpihira Fkma tamin’ny alin’ny Alakamisy faha 20/04/23 tetsy Mpouto.
Misaotra ny Fiangonana manontolo nitondra amimbavaka.
Misaotra ny Mpitandrina Rakotoniaina nitondra sy nanazava ary nizara ny Tenin’ANDRIAMANITRA nalaina tao amin’ny EFESIANA 6:11-18. Nahazo vatsy isika tamin’ny Tenin’ANDRIAMANITRA nozaraina ary Vonona ny handroso hatrany hatrany amin’ny Tohin’ny Fanompoana rehetra.
Misaotra ny Fianakavian’ny Mpikambana tonga nanatrika ary nanampy sy nandray anjara be dia be tamin’ny fanatanterahana ny fotoana,
ary farany kanefa ny tena goavana, misaotra sy mankasitraka tokoa ny Birao’ny Antoko Mpihira ary indrindra indrindra ny Mpikambana rehetra TSY avahana tena tsy nikely soroka, tsy nitarain-tana-miepaka nanao izay tratra hahatontosa tsara ny Alimbavaka tamin’ny fomba maro samihafa.
Fisaorana mitafotafo ho an’ny Mpikambana rehetra tamin’ny fandraisanareo anjara mavitrika sady tsy nisy fisalasalana tamin ny lafiny rehetra.
Misaotra ny fianakaviana nampiantrano tetsy Mpouto
VONINAHITRA ho an’ANDRIAMANITRA irery ihany ary Fitahiana TSY lany laniana ho antsika ankasitrahany.
Ho samy eo ambany fiahian’Ilay Tsy miova omaly sy anio ary ho mandrakizay dia KRISTY JESOA anie isika rehetra
