Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy hatrany no hiarahabanay anareo ry havana.
Mbola ny vokatry ny toriteny hatrany no hodinihantsika amin’ity herinandro ity.
Rehefa nitoriteny i Petera dia izao no vokany:
« Ary raha nandre izany ny olona, dia voatsindrona tam-pony ka nanao tamin’i Petera sy ny Apostoly namany hoe: Ry rahalahy, inona no hataonay?
Ary hoy Petera taminy: Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin’ny anaran’i Jesoa Kristy ianareo rehetra mba hahazo famelana ny helokareo; ary ianareo handray ny fanomezana dia ny Fanahy Masina » (Asa 2,37-38)
Ho tanteraka aminao anie izany. Amen.
Ny Mpitandrina