Araka ny hitantsika teo aloha dia ny Rom 9,8-23 no entintsika mandinika an’ity lohahevitra ity.
4.1. Niandoha tamin’i Abrahama ny teny fikasana (9,8-9).
Malalaka amin’ny safidiny ny Tompo.9,10-16: Misongadina eto ny maha Andriamanitra an’ Andriamanitra:
Ny prédestination dia efa hitantsika eto sahady: « Fa raha tsy mbola teraka ireo … » (9,11):
- ny zokiny hanompo ny zandriny (9,12),
- hoy ny Tompo: « Jakoba no tiako, fa Esao no halako (9,13)
Izany no fikasan’ Andriamanitra mialoha. Tsy miankina amin’ny olona, fa Aminy irery.
Eto dia mbola misongadina ihany koa ny maha Andriamanitra Azy (9,14-16) satria Mpamindrafo Izy, kanefa dia afaka mifidy an’izay tiany hanehoana an’izany (Eks 33,19). Esao koa dia tratran’ity tsy nahazo famindrampo ity (Heb 12,16-19) (Jereo koa ny 9,18)
Satria: Andriamanitra tsy tia ny ratsy Izy (Sal 5,4). Toetra mampiavaka ny Tompo io
4.2. 9,17-18: Mampiasa ny olona Andriamanitra mba hanehoany ny voninahiny sy ny heriny:
Nifidy an’i Farao Izy tamin’izany satria:
- fantany ny toetrany (Eks 3,19)
- ka dia nanamafy ny fon’i Farao Izy (Eks 4,21),
- sahy nanao fiantsiana tamin’ Andriamanitra izy (Eks 5,2),
- vao maika nataony mafy ny fanompoana (Eks 5,15-18)
Tahaka izany koa Jodasy, fantatra ny toetrany ( Jao 12,3-6): tia vola.
Andriamanitra anefa dia mbola manome fotoana mba hahafahan’ny olona mandini-tena mba tsy hanamafy fo mandrakizay (Job 33,14-30)
4.3. 9,19-21: Malalaka amin’izay tiany atao Andriamanitra:
Toy ny mpanefy tanimanga Izy:
- malalaka amin’izay tiany hanaovana ny tsirairay avy,
- tsy manana zo hanontany Azy hoe maninona aho no natao toy izao, ary maninona izy no natao toy izao?
Noho izany dia afaka mamindrafo Izy na mandefa ny olona any amin’ny helo (Jer 18,5-6): hita taratra eto koa ny fikasan’ Andriamanitra mialoha ho an’ny olona iray (prédestination)]
Ny toetran’ Andriamanitra dia hita ato amin’ity Jer 18,7-10 ity: - 18,7-8: na dia efa nilaza loza ho an’ny firenena aza Andriamanitra, kanefa dia niala tamin’ny ratsy izy, dia nanenina Andriamanitra ka manome fitahiana,
- 18,9-10: ary na dia efa nilaza soa aza Izy, kanefa dia nanao ratsy ilay firenena, dia nanenina tamin’ny fahasoavana nolazainy fa ho an’io firenena io Izy.
Tompom-pahefana (souverain) amin’izay ataony rehetra Andriamanitra.
Hotohizana sy faranana amin’ny manaraka.
An’ Andriamanitra irery ny voninahitra. Amen .
Predestination Famintinana : Tapany voalohany | Predestination Famintinana : Tapany farany