27/10/2023, Lohateny: Prédestination
1.Fampidirana:
Misy ny olona sasany no misalasala ary tsy mahazo antoka hoe: voavonjy ve izy raha amin’izao ny Tompo no tonga? Misy ny manontany hoe: raha misy zazakely vao teraka andro vitsivitsy kanefa dia maty. Voavonjy ve izy sa tsia satria tsy mbola vita batisa?
Hiarahantsika mamaly ao antin’i resaka « prédestination » ity izany.
2.Famaritana:
Ny « prédestination » dia lahatra na anjara na tendrin’ Andriamanitra mialoha ho an’ny olona, na io famonjena na io fahaverezana mandrakizay.
Hita ato anatin’ity « prédestination » ity ireto zavatra roa maha Andriamanitra an’ Andriamanitra ireto:
- ny fiandrianany na ny maha tompo-pahefana ambony Azy (1Tan 29,11);
- ny fifidianan’ Andriamanitra (Efes 1,4-5)
3.Ireo andinin-tSoratra Masina vitsivitsy milaza ny « prédestination »
- Gen 15,8; Mika 6,4: Israely dia efa nofidin’ Andriamanitra mialoha,
- misy ny hatrany am-bohoka, eny mialohan’izany aza dia efa nofidin’ny Tompo mialoha (Jer 1,5),
Ireto kosa dia maneho ny fifamatoran’ny tendry sy ny fifidianana (Rom 8,29-30; Efes 1,4-5 ; 1Pet 1,2)
4.Rom 9,8-23 no handraisantsika an’ireo mikasika ny « prédestination »
- Ho an’ny olona rehetra ny famonjena, rehefa nohamarinina maimaim-poana tao amin’i Jesoa Kristy (Rom 3,23-24).
Ny fifidianan’ Andriamanitra dia ny fanasany ny olombelona mba hiditra ao amin’ny teny fikasany, izany anefa dia mitaky valiny hentitra avy amin’ny olona. - Niandoha tamin’i Abrahama ny teny fikasana (9,8-9). Malalaka amin’ny safidiny Andriamanitra.
(Ho tohizana amin’ny zoma heriny)
An’ Andriamanitra irery ny voninahitra. Amen
Predestination Famintinana : Tapany faharoa | Predestination Famintinana : Tapany farany