Famintinana fianarana soratra masina ny 28 Aprily 2023 : Matio 6:12 (Fizarana Faharoa sady farany)

« Mamelà ny helokay tahaka ny namelanay izay meloka taminay » (Mat 6,12)

  1. Io dia azo adika toy izao:
    – Mamelà ny trosanay tahaka …..
    Na:
    – Mamelà ny fahadisoanay tahaka …..
    Tao amin’ny Fizarana voalohany isika dia nahita ny mikasika ny trosa tao amin’ny Testamenta Taloha. Izao indray isika dia hijery ny Testamenta Vaovao indrindra fa ny mikasika ny famelan-keloka isika.
  2. Ao anatin’ny fizarana faharoa amin’ny vavaka nampianarin’ny Tompo, ka ny momba ny olombelona no misy an’ity famelan-keloka ity.
  3. Ireo hataka telo ireo dia mikasika ny filàna fototra eo amin’ny olombelona:
    • 6,11: ny hanina sahaza,
    • 6,12: ny famelan-keloka,
    • 6,13: ny fakam-panahy sy ny tena fanafahana.
      Mifamatotra tanteraka ireo satria: na voky hanina isan’andro aza, kanefa tsy voavela heloka dia ny fahatezeran’ Andriamanitra no hameno ny fiainana. Ary na azo daholo koa ary ireo nangatahana roa ireo, kanefa lavon’ny fakam-panahy sy fatoran’ilay ratsy, dia tsy hisy fitahiana ny fiainana manontolo.
    • Ny otantsika olombelona no trosa tsy voaloantsika amin’ Andriamanitra isan’andro isan’andro.
    • Ireto misy fampianaran’i Jesoa mikasika ny famelan-keloka:
      • Mat 18,21-22: tsy misy fetra ary tsy voafetra ny famelan-keloka,
      • Mat 18,23-27: na dia trosa be (heloka) aza dia havela na hafoy tsy misy fepetra,
      • Lio 15,11-24: ny fitiavan’ny ray ny zanany no nahatonga azy hamela heloka ka handray indray an’ity zanaka adala.
        Rehefa tena hiainana ireo dia hoy i Jesoa: mandehana aloha mihavana vao manatitra fanatitra (Mat 5,23-24)

    Fampiharana:

    Ny Mat 6,12 dia tsy afaka misaraka amin’ny 6,14-15; izany hoe: avelao aloha ny heloky ny hafa, dia mba havelan’ny Tompo koa ny anao.
    Tsy mora ny mamela heloka ny hafa raha toa ka ianao no manana ny marina, kanefa dia tsy maintsy atao izany.
    Raha vao hanana fotsiny ilay finiavana hamela heloka ny hafa, dia amin’izay fotoana izay dia efa manomboka miasa sahady koa ny Tompo mba hamela ny helokao.
    Hianarana sy hiainana isan’andro ary hangatahana fanampiana amin’ny Fanahy Masina ny hahaizana mamela heloka.
    Ireto toetra fototra roa ireto no fara fahakeliny, no tsara hananana vao afaka mamela heloka:

    • fitiavana ny hafa nanao fahadisoana taminao,
    • fanetren-tena.

    Raha mamela heloka isika dia hanam-piadanana. Rehefa tsara fifandraisana amin’ny Tompo ary tsara fifandraisana amin’ny hafa mantsy isika, dia izany no tena fiadanana.

    Fanontaniana:

    Amin’ny maha kristiana anao. Moa misy heloka tsy azo havela mihitsy ve ary indrindra koa moa fa miverimberina ilay izy?

    Vavaka:

    Mangataha amin’ny Tompo mba hahay hamela heloka.
    An’ Andriamanitra irery ny voninahitra.
    Ny Mpitandrina