Marka 7:20-23

Miarahaba ny mpianakavin’ny finoana amin’ny anaran’i Jesoa.
Manomboka anio ny Fiaraha-mandinika Soratra Masina (étude biblique)
Ny hojerentsika amin’izany dia ny Mar 7,20-23; dia ireo rehetra mampaloto ny olona.
Amin’ny 7-8 ora ny fotoana any am-poangonana.
Manasa antsika rehetra.
Tahin’ny Tompo.
Ny Mpitandrina

“Ary hoy Izy: Izay mivoaka avy ao amin’ny olona, dia izany no mahaloto azy. Fa avy ao anatin’ny olona dia avy ao am-pony, no ivoahan’ny sain-dratsy, dia ny fijangajangana, ny halatra, ny vonoan-olona, ny fakam-badin’olona, ny fieremana, ny lolom-po, ny fitaka, ny fijejojejoana, ny maso ratsy, ny fitenenan-dratsy, ny avonavona, ny fahadalana: izany zava-dratsy rehetra izany no mivoaka avy ao anatin’ny olona ka mahaloto azy.”

Marka 7:20-23