Miarahaba anareo amin’ny anaran’i Jesoa.
Toy izao no vokatry ny toritenin’i Jesoa tamin’ilay vehivavy Samaritana:
« Dia nandao ny sininy ravehivavy ary nankany an-tanàna ka nanao tamin’ny olona hoe: Andeha hizaha izaroa Lehilahy izaroana, Izay nilaza tamiko ny nataoko rehetra; izao angaha no Kristy? Dia nivoaka avy tao an-tanàna ny olona ka nankeo amin’i Jesoa » (Jao 4,28-30)
Ny toriteny dia:
1. Mitondra fanapahan-kevitra,
2. Rehefa nandre toriteny dia mba zarao amin’ny hafa,
3. Fitaomana ny hafa hanatona an’i Jesoa koa ny toriteny.
Mahereza
Ny Mpitandrina