Amin’ny anaran’i Jesoa no hiarahabana anareo amin’izao fiandohan’ny herinandro izao.
Tamin’ny andron’ny Tompo dia nizara roa mazava tsara ny olona:
1. Ao ny nilaza fa olona tsara lzy,
2. Ao ny nanambara fa mamita-bahoaka Izy.
Noho izany dia nisy ny natahotra ka tsy sahy niresaka ny momba Azy teny imasom-bahoaka intsony. Takon’ny tahotra ny Tompo.
Raha velona tamin’izany ianao, dia mba mety ho iza tamin’ireo?
« Ary nitakoritsika Azy be ihany ny vahoaka. Hoy ny sasany: Tsara fanahy Izy; fa hoy kosa ny sasany; Tsia; fa mamitaka ny vahoaka Izy. Nefa tsy nisy sahy niresaka Azy miharihary noho ny fahatahorana ny vahoaka » (Jao 7,12-13)
Amen.
Ny Mpitandrina