Faly miarahaba anareo amin’ny anaran’i Jesoa.
Ny hijoro ho vavolombelon’i Jesoa no antom-pisiantsika, tahaka an’ity jamba nampahiratin’ny Tompo ity:
« Dia niantso ilay jamba teo aloha indray izy ka nanao taminy hoe: Omeo voninahitra Andriamanitra; izahay mahalala fa mpanota izany Lehilahy izany. Fa izy (ilay jamba nahiratra) namaly hoe: Tsy fantatro na mpanota Izy, na tsia; fa zavatra iray loha ihany no fantatro: Jamba aho teo aloha, fa mahiratra aho izao » (Jao 9,24-25).
Sahia mijoro amin’ny finoana ry havana. Amen
Ny Mpitandrina